Nifarana, omaly ny fivoriana iraisam-pirenena “Forum Diplomatique 2024 – Antalya”, natao tany Torkia. Anisan’ny niatrika izany ny filoha Rajoelina ary nihaona tamin’ny filoha Tiorka, i Recep Erdogan.
Nivoitra tamin’izany ny fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy i Tiorkia. Tafiditra ao anatin’izany ny fanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa ho fampiroboroboana ny fifanakalozana eo amin’ny lafiny varotra sy ny fametrahana vaomiera iombonana ara-toekarena eo amin’ny firenena roa tonta. Noresahan’ny filoha mirahalahy koa ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra marolafy. Anisan’izany ny fotodrafitrasa ka hanohizana ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanamboarana ny tanàna vaovao, Tanamasoandro eny Imerintsiatosika. Efa nitondra ny traikefany sy ny fampitaovana izany ry zareo Tiorka. Manampy izany ny lafiny fizahantany. Ny tontolon’ny fambolena sy ny fiompiana. Eo koa ny fiarovam-pirenena sy ny fandriampahalemana. Anisan’ny ananan-dry zareo Tiorka traikefa sy fahaizana manokana izany. Efa misy sahady ny vina eo amin’ireo sehatra ireo ho an’ny firenena roa tonta.
Ho avy ny mpampiasa vola Tiorka
Etsy andaniny, hijery sy hifantina ireo mpampiasa vola Tiorka ho avy eto amintsika ny governemanta any an-toerana ho amin’ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra samihafa.
Tsiahivina fa naharitra telo andro izao fivoriana iraisam-pirenena nifarana omaly izao, ka nandrosoana vahaolana sy nifampizarana traikefa. Niezahana koa ny nitondra ny feo iraisana manoloana ireo ambana efa misy sy ireo vao mipoitra hatrehina amin´izao taonjato iainantsika izao. Maherin’ny 4 000 ireo mpandray anjara tamin’izao fihaonana tao Antalya any Torikia izao.
Anisan’ny nitarika ny delegasionina Malagasy tany an-toerana sady voaasa manokana ny filoha Rajoelina Andry ankoatra ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta maherin’ny 20, niatrika izany fihaonana izany.
Synèse R.