RN1 Zazalahy : 13 taona maty voahitsaky ny kamiao

Ankizilahy 13 taona maty tsy tra-drano nodonin’ny kamiao tapaka hisatra, tao amin’ny lalam-pirenena voalohany, Antan­drokomby Bemasoandro, afakomaly maraina. Nipo­tsaka tampoka ny hisatr’ilay kamiao. Nidina fidinana anefa ny fiara ka nifatratra avy hatrany tamin’ny sarety nentina mpianaka. Tsy afa-niala ilay kamiao nivatravatra intsony ilay zazalahy. Nandriaka ny ra ka tsy tana ny ainy. Tetsy ankilany, tsy voakasiky ny loza ny rainy noho ity farany niala ny loza. Omby iray koa lasibatry ny loza. Tapaka vokatry ny fifandonan’ny sarety sy ny kamiao io omby io. Nanokatra fanadihadiana manoloana ity loza ity ny zandarimaria.

Tsiferana R.

Partager sur: