Nifarana ny sabotsy 2 marsa teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’ny klioba eto amin’ny faritra faha-7, taranja volley-ball (CCZone 7). Laharana faharoa ny GNVB, lahy sy vavy.
Samy tsy nisy tafavoaka teo amin’ny lalao famaranana na ny Gendarmerie nationale de Volley-Ball (GNVB) sokajy lehilahy na ny sokajy vehivavy. Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny lehilahy, ny Tampon Gecko Volley-ball avy ao La Réunion, rehefa nanamontsana an-dry Andry sy ny namany, tamin’ny seta 3 no ho 0 ((18/25 – 19/25 – 23/25). Tsy nahatohitra ny renioney ny Malagasy na dia niezaka nanenjika hatramin’ny ora farany aza, ka izao tafapetraka ho tompon-daka lefitra amin’ity andiany faha-28 ny CCZone 7, natao teto Madagasikara ity. Ho an’ny sokajy vehivavy, nisalotra ny anaram-boninahitra ny ekipan’ny Saint Denis Olympique, avy ao La Réunion, rehefa nandavo an-dry Lalah sy ry Eugénie, tamin’ny seta 3 no ho 0 (16/25 – 27/29 – 13/25). Ratsy ny fanombohana teo amin’ny seta voalohany ho an’ny Malagasy ka tsy nananosarotra ho an-dry zareo renioney ny naka izany. Niady tanteraka kosa ny seta faharoa ary nampitsanga-mitoetra ny mpijery teny an-toerana mihitsy. Na izany aza, tsy nitsiky tamin’ny Malagasy ny vintana, mbola norombahin’ny renioney hatrany ny seta faharoa tamin’ny isa 29 no ho 27. Vao mainka nampidina ny herijika ho an’ny GNVB ny fandresena 2 no ho 0 azon’ny Saint Denis, ka tsy nahatohitra intsony izy ireo, teo amin’ny seta fahatelo. Raha hiverenana ny lalana nizoran’ny ekipan’ny GNVB, nihatsara nihoatra ny tamin’ny andiany faha-27, natao tany Maorisy, ny vokatra azon’izy ireo tamin’ity andiany faha-28 ity. Teo amin’ny lalao ampahefa-dalana mantsy no nihintsana ny GNVB tamin’izany, raha toa ka niatrika ny famaranana kosa tamin’ity taona ity. Tsy resy mihitsy ihany koa ny ekipan’ny Zandarimariam-pirenena nanomboka tany amin’ny lalao fifanintsanana hatreo amin’ny manasa-dalana ary izao voahosotra ho tompondaka lefitra izao. Na teo aza ny faharesena, nahavita dingana goavana ny GNVB na ny sokajy lehilahy na ny vehivavy, araka ny nambaran’ny mpanazatrany, Razafinjatovo Jean Honoré. Tsy ratsy ny vokatra saingy tokony ho nahavita tsara kokoa noho ireny ny ekipa. Tsiahivina fa ny ekipan’ny COSFA irery ihany, niaraka tamin’ireto GNVB lahy sy vavy ireto no tafavoaka tamin’ny fifanintsanana isam-bondrona ka niatrika ny ampahefa-dalana tamin’ireo ekipa miisa 10 nandray anjara tamin’ity andiany faha-28, CCZone 7 ity.
Mi.Raz