Fahatapahana lalandra (AVC) : 20 hatramin’ny 55 taona ny olona tena voan’ny aretina

Mihamaro hatrany ireo mararin’ny fa­hatapahana lalandra maneran-tany. Mianjera, fanina tampoka, torana, marary an-doha… Anisan’ny tranga miseho sy mahazo ny olona ireo rehefa tratran’ny AVC izy. Mety mitarika fahafatesana ihany koa izany raha taraiky ny fitsaboana. Izay nihamaro tato ho ato.

Miisa 130 000 isan-taona ny olona voan’ny fahatapahana lalandra any Frantsa. Maty avokoa ny 40 000 amin’izany. Mahatonga ny fahasembanana sy takaitra goavana eo amin’ny vatan’ny olombelona ihany koa izy io. Manodidina ny 30 000 kosa ireo mitondra takaitra any an-toerana. Mihatanora ny olona tratran’io aretina io, raha ny tranga eto Madagasikara tao anatin’ny roa taona no man­katy. Taloha, manodidina ny 50 na 60 taona ny olon-dehibe iray vao voan’ny aretina. An­kehitriny, eo anelanelan’ny 20 hatramin’ny 55 taona ny sokajin-taona tena betsaka indrindra, eto Madagasikara, raha ny fanazavan’ny mpitsabo nanontaniana. “2 na 3 isan-kerinandro ireo olona voan’ny fahatapahana na fahatsen­tsenan’ny lalandra amin’izao fotoana izao”, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny toeram-pitsaboana iray etsy 67 ha. Nitombo io tranga io satria iray isaky ny tapa-bolana izany roa na telo taona lasa izay.
Fahatapahana lalandra ao amin’ny loha ny atao hoe: «Accident Vasculaire Céré­bral” (AVC). Misy karazany roa ny aretina. Eo ny fahatapahan’ ny lalandra vokatry ny faha­tsentsenan’izany. Eo koa ny fahatapahan’ny lalandra vokatry ny fahavakisany. Tampoka ny fitrangan’ny aretina eo
amin’ny olona. Mahafaty ny fahatapahana lalandra, izay tena mirongatra amin’izao fo­toana izao. Malemy ny vatana na tsy afaka miteny tsara ihany koa ny vava, raha toa ka tsen­tsina ny lalandra.

Antony mahatonga ny AVC ny adin-tsaina eo amin’ny olona
“Antony mahatonga ny fiakaran’ny tahan’ny olona voan’ ny aretina ny fiakaran’ny tosidra eo amin’ny tanora, ma­nampy trotraka ny adin-tsaina diso tafahoatra. Eo ihany koa ny fahalotoan’ny rivotra iainana, izay misy fiantraikany any amin’ ny fikorianan’ny ra. Manampy izany koa ny tsy fahampian’ny fanaovana fanatanjahantena”, hoy ny Dr Rakotonindrina Nor­bert, mpitsabo etsy 67ha. Ni­laza izy fa tsy voatery ny olona miakatra tosidra no voan’ny aretina, fa tratra avokoa na tsy misy izany aza. Malemy ny ilany iray amin’ny vatana, fanina, ny fahasarotan’ny fitenenana, olana amin’ny fahitana,… ireo anisan’ny fambara sy vokatry ny aretina. Mikorontana ny tosidra sy tsy mikoriana tsara ny ra na olana amin’ny voa ny mahatonga ny aretina eo amin’ ny tanora.
Marary tsy sitram-pana­fody ny an-doha, mety ho fanina ihany koa ny olona, ny tena fisehoan’ny aretina amin’ny ankapobeny. Misy ifandraisany ihany koa ny tanana volivoly fa tsy voatery hoe ho tapaka lalandra akory fa mety fambaran’aretina hafa. Maro ny fitsaboana ny aretina. Tsy maintsy tsaboina ny antony nahatonga ny fahatapahan’ny lalandra voalohany indrindra. Averina tsikelikely araka ny tokony ho izy kosa ny hozatra malemy vokatry ny aretina, eny amin’ ny matihanina mahakasika izany, raha ny fanazavan’ny mpitsabo hatrany.

Mila mitsapa tosidra matetika ny olona

« Tokony hanara-maso sy hitsapa ny tosidrany matetika ny olona iray, indrindra ho an’ny olona efa nisy raibe na fianakaviana tratran’ny aretina. Ho an’ny olona efa fantatra fa misy tosidra matetika, tsara ny hitsaboana azy ara-dalàna », hoy hatrany ny Dr Rakotonindrina Norbert, mpitsabo etsy 67ha. Nilaza izy fa tsy misy fiainana tsy misy olana, fa eza­hina alamina ny saina mba tsy hahatonga ny aretina. Noha­mafisin’ny mpitsabo hatrany fa ilaina ny mifehy ny fiasan’ny fo sy mandamina ny saina eo amin’ny fiainana. Ilaina fitandremana ihany koa ny fihinanana sakafo matavy, be menaka, be sira ary be siramamy. Ajanona ihany koa ny fifohana sigara ary ahena na atsahatra ny fisotroana toaka sy kafe. Ankoatra izay, tokony hanao fanatanjahantena tsy tapaka ny olona iray. Ezahina ny mihinana sakafo ara-pahasalamana rehetra toy ny legioma, ny voankazo…

Ilàna fitandremana ny fandroana amin’ny rano mangatsiaka

Mila tandremana ihany koa ny fandroana amin’ny rano mangatsiaka tampoka. Misy fiantraikany eo amin’ny lalandra mantsy ny hatsiaka tampoka entin’izany. Mampitondra takaitra mafy eo amin’ny vatana raha tsy mahafaty aza.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: