Nambaran-dRakotondrabe Romuald Felix na ny Coach Rôrô, mpanazatran’ny Barea, ny alahady lasa teo, teny Isoraka, fa nanaiky ny hilalao ao amin’ny ekipam-pirenena malagasy i Francis Coquelin, irakiraky ny Villareal FC Espagne. Tsy anisan’ireo mpilalao anatin’ny lisitry ny Barea hiatrika ny lalao ara-pirahalahiana amin’ity volana marsa ity nefa izy, noho ny fiangavian’ity mpilalao ity. Nomarihin’ny Coach Rôrô fa vao haingana i Coquelin no sitrana ka miezaka mamerina ny tanjany tsikelikely amin’izao fotoana izao. “Hirarina mba tsy haratra izy amin’ny volana jona ho avy izao”, hoy ny mpanazatra ny Barea.
Tsara ny mampahafantatra fa mpilalao manana traikefa i Francis Coquelin. Efa nilalao tao amin’ny klioban’ny Arsenal FC, Angleterre, diviziona voalohany, ny tenany, nandritra ny taona 2014-2018. Nandrafitra ny ekipan’ny FC Valencia Espagne, nandritra ny taom- pilalaovana 2019-2020. Tsara ny mampahatsiahy fa ny volana jona ho avy izao, handray an’i Comores, eo Mahamasina, i Madagasikara. Lalao mandroso izay tafiditra amin’ny fiadiana ny tapakila hiatrehina ny “Mondial 2026”, hatao any Etazonia.
Fitia Randria