“Lalao Afrikanina” : Atleta malagasy 64 hifaninana ao Ghana

Nanainga ny zoma 1 marsa teo ny andiany voalohany amin’ny delegasiona malagasy hiatrika ny andiany faha-13, “Lalao Afrikanina” hatao any Accra Ghana. Miisa 64 ireo atleta hifaninana, amin’ny taranja 12.

Efa manomboka tonga tsikelikely ao Accra Ghana ny delegasiona malagasy, hiatrika ny andiany faha-13 amin’ny “Lalao Afri­kanina”. Tonga any an-toerana voalohany, ny faran’ny herinandro teo, ny solontena ma­lagasy eo amin’ny taranja lalaon-tsaina Echecs sy tenisy ambony latabatra. Efa niditra an-tsehatra, nanomboka omaly ihany koa, ireo atleta eo amin’ny taranja tenisy ambony latabatra. Araka ny tatitra avy amin’ny mpitarika, 91 ny mandrafitra ny delegasiona ka atleta ny 64 amin’ireo, ahitana mpanazatra sy mpitsara, mpi­tsabo, mpiandraikitra ny lafiny ara-taratasy ary ny filohan’ny delegasiona. Mahakasika ny taranja kosa indray, 12 amin’ ireo taranjam-panatanjahan­tena 29 misy no handraisan’i Madagasikara anjara. Ahitana ny judo, karate, tolona, taekwondo, atletisma, fibatana fonjamby, bras de fer, tenisy, tenisy ambony latabatra, lalao Echecs, rugby, sokajy vehivavy ary ny basikety 3×3, lahy sy vavy.
Araka ny fanazavana ha­trany, ireo taranja tena inoana fa hahafahan’ny Malagasy maka medaly no nokendrena hifaninanana, amin’ity andiany faha-13 ity. Toraka izany koa ireo atleta, izay nohamafisin’ ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena fa izay tena manana ny lenta hahazo fandresena no natao ao anaty lisitra. Nisy aza ireo efa tao anaty lisitra no voatery nesorina mba hijerena izay tena mahafeno ny fepetra rehetra amin’izay vokatra izay. Marihina fa ny zoma 8 marsa izao no hanaovana ny lano­nana fanokafana amin’ny fomba ofisialy ity “Lalao Afri­kanina” ity, raha toa ka efa nanomboka omaly ny fifaninanana ary haharitra hatramin’ ny 23 marsa ho avy izao.

Mi.Raz

Partager sur: