Moto – “Mada 2024” : lasan’i Lucas Robert ny fandresena

Tontosa ny alahady lasa teo, teny Ambohidava Antana­narivo, ny dingana fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja “Motocross 2024”, sokajy élite 1. Nanjakan’ilay Renioney, Lucas Robert, tanteraka ny fifaninanana. Nahazo ny laharana voalohany izy tamin’izany, rehefa nahavita fihodinana in-12 tao anatin’ny 20 minitra ka nahazoany isa 50. Mitana ny laharana faharoa kosa i Claudio Tida ary manaraka azy i Mathias Plantive. Tsiahi­vina fa i Mathias Plantive, nandresy tamin’ny dingana voalohany sy faharoa ary mbola izy no mitarika ny lohany amin’ity fifaninanana ity.
Mbola hafana tanteraka ny dingana manaraka. Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina ny 23 jona 2024 ho avy izao ny “Grand Prix d’Ilakaka”, araka ny vaovao nampitan’ny federasiona malagasin’ny moto (FMAM).

Fitia Randria

Ireo nahazo ny laharana
voalohany tamin’ity
dingana fahatelo ity:

Elite 1: Lucas Robert
Elite 2: Andrianirina Andy
Junior: Karnezis Steven
50 cc: Aro Nirindray
65 cc: Ramanantsoa Thomas
65 cc(vehivavy): Ramanantsoa Louna
85 cc: Tsiranana Guillaume
Vétérant 1: Riviere Nicolas
Vétérant 2: Tarzan Makboul
Amateur: Kevino

Partager sur: