BNGRC : drafitrasa fiatrehana ny loza voanajahary

Miara-miasa amin’ny go­ver­nemanta malagasy amin’ny alalan’ny Birao nasionaly mitantana ny loza voajanahary (BNGRC), ny Rafitry ny firenena Mikambana (SNU), tohanan’ny Fiaraha-miasa alemà (GIZ). Tanjona ny hamolavolana drafitrasa, mifototra amin’ny tondro mahakasika ny fitantanana ny fiatrehana ny loza voajanahary (INFORM), araka ny fenitra iraisam-pirenena. Atao eto Antananarivo, mandritra ny roa andro, ny atrikasa momba izany, natrehin-dRtoa Razafimanantsoa Mi­rana, tale jeneraly lefitry ny BNGRC.
Ahafahana manatsara ny fahalalana sy ny fitantanana ny ambana amin’ny loza voajanahary ny vokatry ny fiovan’ny toetr’andro sy ny tontolo iainana ny INFORM. Avy amin’izany no handrafetana ny drafitra hampiharina eto amintsika, sady hamoahana ny tondrozotra ho tanterahina.
Mpiara-miombon’antoka ao amin’ny SNU, ny Pnud, ny Unicef, ny Pam ary ny FAO, tohanan’ny Vondrona Eoro­pea­nina (UE).

Njaka A.

Partager sur: