F3LTM : antontam-baovao hikojakojana ny lalana

Nitohy, omaly, ny fifanakalozana traikefa ao anivon’ny Vaomiera iombonana mandrindra ny asa (CCC) ao anatin’ny tetikasa ho fampandrosoana ny fitantanana ny fikojakojana ny lalana sy ny tetezana (F3LTM). Manohana ara-bola sy ara-teknika ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) amin’ny fanatanterahana azy ny Fiaraha-miasa japoney (Jica). Nilaza ny Sekretera jeneraly (SG) ny MTP, Razefason Ando, fa tanjon’ny tetikasa F3LTM ny hametrahana rafitra maharitra, hisahana ny fitantanana ny fikojakojana ny lalana sy ny tetezana eto Madagasikara. Hampiasaina ny teknolojia niomerika, ho fitaovana entina hitantanana ny antontam-baovao rehetra.
Ankoatra ny famolavolana ny drafitrasa, hisy fakana traikefa hataon’ny teknisiana malagasy any Japana, fa tena zava-dehibe koa ny fampiharana eto an-toerana. Nilaza ny SG-n’ny MTP, fa hatao tetikasa filamatra ny lalam-pirenena faharoa RN2.
Nanamafy ny miandraikitra ny F3LTM ao amin’ny Jica, fa misy enina ny asam-baomiera. Anisan’izany ny famolavolana ny asa, ny fandrafetana ny drafitrasa, ny fanadihadiana, ny fomba fanatanterahana ny asa fikojakojana, sns.
Tsiahivina fa nanomboka tamin’ny taona 2021 ny dingana voalohany amin’ity tetikasa ity, ary ao anatin’ny dingana faharoa izao atao izao.

Njaka A.

Partager sur: