Nomarihana, omaly, tetsy amin’ny Akanin’ ny marenina (Akama) etsy 67ha ny andro maneran-tany ho an’ ny fandrenesana eto Madagasikara. Lohahevitra nanamarihana ny hetsika ny hoe “Fanovana toe-tsaina, aoka hataontsika laharam-pahamehana ho an’ny rehetra ny fiahiana ny sofina sy ny fandrenesana”.
Hahatratra 1,1 miliara ny isan’ny olona maneranan-tany tsy handre intsony amin’ny 2050 raha tsy misy fitandremana sy fisorohana atao, araka ny tatitra navoakan’ny Organisation mondiale de la Santé (OMS). Tafiditra ao anatin’izany, ny firenena andalam-pandrosoana, toa an’i Madagasikara. Ny antsasa-manilan’ny olona ao anatin’ny fiarahamonina no tsy mahare vokatry ny aretina tsitongandronono. Mahatratra amana hetsiny kosa izany, raha atambatra manerana an’i Madagasikara, raha ny fanazavan’ny dokotera mpitsabo sofina teny amin’ny Akama 67ha, omaly. “Anjaran’ny firenena tsirairay avy, araka izany, ny manao ny ezaka rehetra tsy hahatonga ny aretina”, hoy ny Dr Randrianarisoa Théodore, lehiben’ny toeram-pitsaboana Salfa, ao amin’ ny hopitaly Ambohibao.
Miseho amin’ny endriny samihafa ny tsy fandrenesana ary maro ny antony mahatonga ny aretin’ny sofina, raha ny fanazavan’ny mpitsabo. Toy ny tsy fandresena avy any am-bohoka, izay ahitana ireo zaza tsy nahay niteny satria tsy nandre. Eo koa noho ny fahasarotana teo am-piterahana nahazo ny reny. Manampy izany ihany koa, ny aretina nahazo ny zaza tamin’ny mbola kely. Ankoatra izay, maro koa ny olona miaina ao anatin’ny tabataba, indrindra any amin’ ny toeram-piasana. Mihoatra ny 19 décibel, efa tsy zakan’ ny sofin’ny olombelona ny haavon’io feo io, raha ny fanazavan’ny mpitsabo hatrany. Tsy maintsy mihena, araka izany, ny fandrenesan’ny olona iray rehefa mihaino zavatra mafy izy ary mitarika tsikelikely any amin’ny tsy fandrenesana izany. Eo ihany koa ny tsitongandronono, izay mitarika tsy fandrenesana tsikelikely eo amin’ny olona iray. Manampy izany ny fahanterana, izay tsy azo ialana. Rehefa miakatra ny taonan’ny olona iray dia midina ny fandrenesana.
Fampiasana écouteur
Zatra mampiasa sy mihaino écouteur ny ankamaroan’ny tanora amin’izao fotoana izao, raha ny zava-misy. Ilana fitandremana ny fihainoana azy ireny. Mba tsy hanimba sy hitarika fahavoazan’ny sofina, tsy tokony hatao mafibe ny feo. Mihaino écouteur adiny roa isan’andro ny tanora iray, dia efa hihena ny tahan’ny fandrenesana eo aminy ao anatin’ ny taona iray, araka ny fanazavan’ny mpitsabo. Efa misy ny famerana ny feo farany ambony zakan’ny olombelona amin’ ireo karazana finday maro eto amin’ny Nosy. Sitrapon’ny olona raha toa ka mbola hampiakatra ny haavon’ny feo izy.
Fahazaran’ny olona ny fisokirana sofina, raha ny zava-misy ihany koa. “Tsy azo atao matetika izany, satria manimba sofina sy ny ampongan-tsofina izy ireny”, hoy hatrany ny mpitsabo. Nambarany ihany koa fa mety hitarika aretin-tsofina ety ivelany ny fanaovana izany matetika. Tokony hanatona mpitsabo sy toeram-pitsaboana foana ny olona iray rehefa mahatsapa zavatra hafahafa ao amin’ny sofina.
Mila tsaboina haingana ny sofina marary
Vitsy ny olona voaray an-tanana raha eto Madagasikara satria mbola vitsy ny hopitaly mahakasika izany. Vitsy ihany koa ny mpitsabo nivoaka sy nahazo mari-pahaizana mikasika ny fitsaboana ny sofina eto an-toerana. Raha misy ny ezaka ataon’ny fanjakana, mihena ny aretina. Ankoatra izay, lafo ihany koa ny vidin’ny fitaovana ho an’ny olona misedra ny tsy fahenoana tsara. Manodidina ny 1 000 000 Ariary farafahaekiliny ny vidin’izany. Vokany, vitsy ireo olona misitraka azy ireny eto amin’ny Nosy, toy ireo manan-katao ihany.
Miha tsy maheno ny olona arakaraka ny fivoaran’ny aretina, indrindra raha tsy mahazo fitsaboana. Manana fahasahiranana amin’ny fifaneraserana eo amin’ny manodidina ny olona voan’izany. Mahatratra 4 sy 5% ny olona eny anivon’ ny fiarahamonina no tratran’io aretina tsitongandronono io. Efa mananika an-tapitrisany kosa izany, raha ny tranga misy eto Madagasikara hatrany. Azo tsaboina tsara ireo olona ireo, hoy hatrany ny mpitsabo.
50 – 60 % amin’ny antony rehetra mety hahatonga ny tsy fandresena dia azo arovana sy sorohina avokoa, raha ny tatitra navoakan’ny OMS.
Nanatontosa : Mino
Sary : Mamiherison