INDRAY MIJERY

Mpianatra manodidina ny 200 no nisitraka fanentanana amin’ny « fandrindrana ny fiainana ara-pananahana » ho an’ny tanora ao amin’ny oniversiten’ Ana­lanjirofo. Tanjona ny mpianatra lavitry ny vohoka tsy nirina sy mandray an-tanana ny hoaviny ary mahavita ny fianarany hatramin’ny farany. Iarahan’ny minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny ministeran’ny Fahasa­lamam-bahoaka izany.

Hitohy ny fanaraha-maso ny sisan-drahona navelan’ilay faritra andro ratsy ao amin’ny lakandrano Mozambika, mandritra ity herinandro ity. Tsy ho marin-toerana hatrany ny habaka ary hahazo vahana ny oram-baratra saika manerana ny Nosy. Hiverina ho maina kosa ny andro amin’ny faran’ny herinandro

Nihaona tamin’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena ireo lehiben’ny Cisco miisa 114 manerana ny Nosy. Fotoana nanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fanatsarana ny fitantanana eny ifotony hampandrosoana ny asa fanabeazana. Nampirisihina amin’ny fitsirihana hatrany sy ny fanaraha-maso izy ireo hanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana.

Miofana mikasika ny fanatanterahana ny fanadinam-panjakana sy ny fikirakirana ny tambin-karama nandritra ny fanadinam-panjakana ireo tomponandraikitry ny fanadinana sy ireo mpikirakira ny taratasim-bola eo amin’ny Dren Boeny. Tanjona ny hanafainganana ny fa­moahana ny taratasim-bola mirakitra ny tambin-karama.

Partager sur: