Ny 18 – 22 marsa izao no hiditra an-tsehatra ny taranja basikety, 3×3, amin’ny Lalao Afrikanina atao any Accra Ghana. Mandra-piandry ny andro hiaingan’ireo Malagasy delegasiona eo amin’ity taranja ity, mitohy ny fanazarantena, ho an’ny ekipa.
Hotanterahina rahampitso sabotsy 9 marsa, eny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga, taranja Judo. Fifaninanana hitiliana izay hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, hatao ny 27 sy 28 marsa.
Notoloran’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena sy ny Federasiona fitaovana ara-panatanjahantena ny Lycée LTC Ampefiloha, taorian’ny fampianarana fanatanjahantena nomena azy ireo. “Hisy ihany koa ny fanamboarana kianja ho an’ny sekoly”, hoy ny MJS;