Firaisamonina sivily: “Mila hajaina ny lalàna”

“Miandrandra zotram-pifidianana malalaka, mangarahara, mampiaty ary azo itokiana izahay, ka manolo-kevitra ny hanajan’ny mpiantsehatra rehetra ny lalàna velona sy ireo fenitra iraisam-pirenena”, hoy ny fanambaran’ny fikambanana 50 eo ho eo, nampitainy tamin’ny tranonkalam-pifandraisana, afakomaly, taorian’ny atrikasan’izy ireo teny Antanimena, nandritra ny roa andro.
Tolo-kevitr’izy ireo ho an’ny fitondram-panjakana ny fananganana ny “Autorité Nationale de Régulation de la Commu­nication Médiatisée – ANRCM”, ny fanamafisana ny Vaomiera fanaraha-maso famatsiam-bola sy ny fiainana politika (CCFVP). Ireo rafitra ireo no miantoka ny fandraisana anjara ara-demokratika amin’ny alalan’ny fandrindrana ny serasera amin’ny haino vaky jery sy ny fifampifehezana momba ny famatsiam-bolan’ny fampielezan-kevitra.
Ho an’ny rafitra mpikirakira fifidianana sy ny fitsarana: mampihatra ny mangarahara ary manao izay hahazoan’ny mpiantsehatra ivelan’ny fanjakana ireo torohay ilaina sy araka ny lalàna. Manamora ny fidiran’ny kandidà sy ny mpanara-maso ary ny mpanao gazety amin’ireo biraom-pifidianana sy ny Services de recensement des matériels de vote (SRMV) ny Ceni. Eo koa ny fahazoan’izy ireo angon-drakitra voamarina momba ny fifidianana.
Ho an’ny HCC, avoaka ny didy milaza fa tsy manaraka ny Lalàmpanorenana intsony ny hitsivolana 60-08 momba ny famoriam-bahoaka sy ny hetsika an-dalambe mba hanajana ny fahalalahana fototra sy ny fampitoviana lenta sy fikaraka­rakana ireo mpirotsaka hofidina, araka ny fenitra iraisam-pirenena.

R. Nd.

Partager sur: