Nifarana omaly, tetsy amin’ ny kianja Travaux Public Ala-robia, ny fankalazana ny faha-18 taonan’ny FC Copain. Nanakatonana izany ny famaranana ny “Tournoi” baolina kitra lalaovin’olona 7. Nandrombaka ny amboara sy ny omby mifahy, ny Vétéran FC Ampatsakana, rehefa nandresy ny 2FC Alarobia tamin’ny isa tokana 1 no ho 0. Baolina tafiditr’i Tojo, teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Niady hatramin’ny farany ny lalaon’ ny roa tonta ary nampitsanga-mitoetra hatramin’ny farany. Nisy mihitsy ny fotoana tokony ho nanasahalan’ny 2FC ny isa saingy tsy nahay namono baolina ry Sitraka sy Vazaha.
Nambaran’i Feno, anisan’ ireo mpikambana eo anivon’ ny FC Copain, fa nahafapo ny fifaninanana satria nizotra antsakany sy andavany, nanomboka tany amin’ny volana novambra ka hatreo amin’ny famaranana.
Nahatratra 35 ny isan’ny ekipa nandray anjara tamin’ ity, nahitana mpilalao kalaza fahiny sy ankehitriny, toa an-dry Ando, mpiandry tsatoby, Rado (Gena) sy i Lalaina. Tanjona tamin’ity ny hanehoan’ireo mpilalao any amin’ ny sekolin’ ny baolina kitra sy ny eny anivon’ny fokotany ny fahaizany, izay tsy manana sehatra isehoana. Voahosotra ho mpilalao mendrika i Rija (2FC) ary i Tojo (Vétéran FC) ny mpamono baolina be indrindra. I Lôsy (2FC), no mpiandry tsatoby mendrika.
Torcelin