Fidiovana sy tsodrano : fomba fototry ny fankalazana ny taom-baovao malagasy

Tsy finoana fa fomba malagasy ny taom-baovao. Anisan’ny fomba teto Mada­­ga­sikara nandritra ny taona maro, efa hatry ny ela ny fidiovany ny tenany. Fomba fanao entina mankalaza ny taom-baovao io fidio­vana io sy ny tsodrano.

Endrika ara-kolotsaina manome lanja ny soatoavina maha Malagasy ny taom-baovao tamin’ny faha mpanjaka, teto Imerina. Anisan’ ny nanamarihana izany ny fandroana na ny fidiovana teo amin’ny rehetra. Nankala­zai­na isan-taona, miaraka amin’ny hanimpitoloha sy mozika ary dihy isan-karazany izany fahiny. Midio amin’ny alalan’ny afo i Madagasikara rehefa mipoaka ny varatra. Midio amin’ny alalan’ ny rivotra ihany koa izy rehefa mandalo ny rivodoza. Midio amin’ny alalan’ny rano rehefa tonga ny orambe. Rehefa vita ny fidiovan’i Madagasikara, midio avokoa ny Malagasy rehetra avy eo. Mba hampirindra ny fiainana sy ny tany onenana rehetra. Izay endrika izay no atao hoe “tafita”, raha ny fanazavana voaray hatrany. Tsy finoana fa fomba mala­gasy ny taom-baovao. Miova endrika daholo ny tany rehetra rehefa tonga ny fahavaratra tahaka izao.

Anisan’ny diovina ny vatana, ny fanahy ary ny fiarahamonina
Anisan’ny zava-dehibe in­drindra amin’ny fankalazana ny taom-baovao tahaka izao ny fidiovana. Ao anatin’izany, ny fidiovana ara-batana sy ara-piarahamonina ary ny ara-panahy. Ny fanadiovana ny tena manontolo sy ny tontolo manodidina ny olona iray no atao hoe fanadiovana ara-batana. Diovina avokoa, mandritra izany, ny toeram-ponenana, ny tokotany, ny trano fiasana,… “Tokony ho diovina avokoa ny zavatra sy ny toe­rana rehetra manodidina ny olombelona rehetra rehefa vanim-potoana tahaka izao”, hoy ny maître Randrimihanta Victorio, mpikambana trano kolotoraly Malagasy, filoha nasionalin’ny MA.I.HA. Miseho amin’ny alalan’ny fandroana na misaika ny fanadiovana ny vatana.

Mampiasa ny rano amin’ny lavadrano hidiovana amin’ny taom-baovao
Maro karazany, araka ny zava-misy, sy ny antony hisa­fidianana azy ny rano hidio­vana. “Tsy eny amin’ny rano mandeha na eny amin’ny loharano na eny amin’ny farihy be tsy vaky ny hidiovana mialoha ny taom-baovao ma­la­gasy, fa amin’ny rano tsy vaky masoandro”, hoy hatrany ny maître Victorio, mpikam­bana trano kolotoraly Mala­gasy, filoha nasionalin’ny MA.I.HA. Ho an’ny Malagasy manokana, ny atao dia ny midio amin’ny rano anaty lavadrano, raha ny fanazavany hatrany. Antony hisafidianana azy io ny maha rano tsy nahita masoandro na tsy nodikaim-borona ary rano tsy mbola nisy biby tafiditra. Alaina ny rano anaty lavadrano ary arakaraka sy am­pandalovina amin’ny vatana iray manon­tolo sy sotroina ny fomba fampiasana azy. “Mive­rina amin’ ny tany avy hatrany ny rano, izay midika fa lasan’ izay ny zava-dratsy rehetra teo amin’ny fiainana, izay no dikan’ny fidiovana amin’ny taom-baovao”, hoy hatrany izy. Maro ny fitaovana entina midio, araka ny fomba mala­gasy. Anisan’ izany, ny mandrava sarotra, ody faty, ranom-bolafotsy… Nisafidy ny hanamboatra savony manokana natao hi­diovana ny MA. I. HA. Mba hanalana ny fahasahiranan’ ny rehe­tra.

MA.I.HA
Nosantarina tamin’ny fampirantiana ny fomba malagasy ny taom-baovao

Nisantatra ny fankalazana ny taom-baovao malagasy teny Ambohidratrimo, ny Malagasy Iray Hasina (MA.I.HA) nanomboka ny sabotsy lasa teo. Mampiavaka ny hetsika karakarain’izy ireo ny fampianarana ny tontolon’ny fomba amam-pahendrena malagasy ho an’ny olon-drehetra. Nosantarina tamin’ny hetsika sy fampirantiana ireo karazana fomba nampiasain’ny Ntaolo fahiny izany. Nahitana ny fanorona, ny karazan-kazo tehina… “Amin’ny vanim-potoana tahaka izao, roa andro mialoha ny taom-baovao no ankalazan’ny MA.I.HA ny taom- baovao satria manentana ny olona hanao fidiovana izahay”, hoy ny filoha mpitarika, ny maître Randriamihanta Victorio, nandritra ny hetsika teny an-toerana. Nilaza izy fa tsy manakana ny finoan’ny rehetra akory izany fa izay no fototra voalohan’ny taom-baovao malagasy.

Fidiovana ara-tantara
Tsy voafaritra mazava tsara ny niatombohan’ny fidiovana. Efa nisy hatramin’ny taon-jato faha-13 izany, araka ny fikarohana nataon-dRabearifeno Albert, mpikaroka momba ny fiovana sy ny toetry ny kintana amam-bolana. Hatrany amin’ny fanjakan-dRalambo, Mpanjakan’Ambohidrabiby sy Alasoara, (1575-1610), no efa nankalazana io fidiovana io, raha ara-tantara. Anisany nitondra fanavaozana lehibe teo amin’ny fankalazana ny andro fidiovana Ranavalona faha-III. Novainy ho 22 Novambra io fankalazana io, mifanandrify amin’ny andro nahaterahany sy nisehoany voalohany tamin’ ny vahoaka.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: