Medaly volafotsy iray sy alimo enina no azon’ny Malagasy atleta, mandritra ny lalao Afrikanina, andiany faha-13, atao any Accra, Ghana. Efa any an-toerana avokoa ny mpandray anjara.
Tsara fanombohana ny mpibata fonjamby malagasy, omaly. Medaly alimo 3 sy volafotsy 1 no azon’i Madagasikara, teo amin’ity taranja ity, nandritra ny andro voalohany, ho an’ny sokajy vehivavy. Nandrombaka medaly 3 be izao, Andriamitantsoa Sabrinah, sokajy 49kg vehivavy. Teo amin’ny “arraché”, nahavita nibata 60 kg i Sabrinah ary 80kg kosa no vitany, teo amin’ny “épaulé jeté”, izay samy nahazoany medaly alimo avokoa ireo roa ireo. Rehefa natambatra kosa ny “total olympique”, izay nanome 140 kg, tafapetraka ho laharana faharoa i Sabrinah ka nahazo medaly volafotsy. Teo amin’ny sokajy 45 kg vehivavy kosa, mbola nahazo medaly alimo ihany koa i Madagasikara, tamin’ny alalan’Andriamitantsoa Fabia. Nahavita nibata 65 kg izy teo amin’ny “arraché” ka nahazoany io medaly alimo io. 47 kg kosa no vitany, teo amin’ny “épaulé jeté” ary rehefa natambatra dia nanome ny “total olympique” 114 kg. Niatrika fifaninanana ihany koa ny sokajy lehilahy, taranja fibatana fonjamby, omaly alina, saingy mbola tsy voaray ny vokatra, teo am-piafaran’ny ora nanoratana.
Alimo telo
Ankoatra izay, taranja 3 ihany koa hatreto, no nahazoan’ny Malagasy atleta medaly, ao anatin’ity Lalao Afrikanina, tanterahina any Ghana, ity. Nahitana ny karaté, ny tenisy ambony latabatra ary ny lalaon-tsaina Echecs. Nanokatra izany fandrombahana medaly izany, Rakotobe Fenosoa, taranja karaté, izay nahazo ny medaly alimo, teo amin’ny sokajy latsaky ny 50 kg, Kumite. Ny sabotsy lasa teo izy no niakatra tatami, nahazo ny fandresena teo amin’ny fihodinana voalohany, nanoloana, ilay teratany malianina, i Sacko A. Teratany Egyptiana kosa no nifanandrina taminy taorian’izay ka nahazoany ny medaly alimo. Teo amin’ ny taranja tenisy ambony latabatra kosa, nahazo medaly alimo ny Malagasy, teo amin’ny sokajy “double mixte”, tamin’ny alalan-dRakotoarimanana Fabio sy Raharimanana Karen. Farany kosa, teo amin’ny taranja Echecs, nahazo medaly alimo ihany koa i Madagasikara, teo amin’ny lalao isan-tarika, tamin’ny alalan-dRakotomaharo Fy sy Aina Tsinjoniavo.
Fandresena 6 tamin’ny fihodinana 6 koa no norombahin’i Fy ka anisan’ny tena nampiakatra ny isa ho azy mianadahy ireto. Tsara ny manamarika fa efa saika tonga any an-toerana avokoa ny solontena malagasy amin’ireo taranja hafa. Anisan’ny nanainga, ny faran’ny herinandro teo, ny Ankoay U23, lahy sy vavy, taranja basikety, ny judokas malagasy 6 mianadahy ary ny taranja tenisy.
Mi.Raz