Lalao Afrikanina : medaly volamena telo sy volafotsy iray ho an’i Madagasikara

Mitohy ny fiotazan’i Madagasikara medaly, mandritra ny andiany faha-13, Lalao Afrikanina, atao any Accra Ghana. Niampy medaly volamena telo sy volafotsy iray izany, omaly.

Miakatra tsikelikely ny fahazoan’ny Malagasy atleta medaly any amin’ ny Lalao Afrikanina, atao ao Accra, Ghana. Niampy ny medaly volamena telo, azon’ny taranja fibatana fonjam-by, ny alahady alina teo. No­rom­bahin’Andriantsitohaina Éric ny medaly volamena teo amin’ny sokajy latsaky ny 55 kg. Nahavita nibata 96 kg izy teo amin’ny “arraché”, 135 kg teo amin’ny “épaulé jeté”, izay nanome 231 kg teo amin’ny “total olympique”. Marihana fa efa nahazo medaly volafotsy 1 sy alimo 3 i Madagasikara, talohan’io azon’i Éric io, ta­min’ny alalan’i Fabia sy Sabrinah. Mpibata fonjamby anisan’ny niakatra an-tsehatra ihany koa, omaly i Mahefa sy i Avotra saingy tsy nahazo medaly. Toraka izany koa i Sariaka izay tsy mbola voaray ny vokatra ho azy.

Mamiratra
Taranja anisan’ny mampamiratra ny Malagasy koa ny Échecs, eo amin’ny sehatra Afrikanina. Noporofoin’i Fy indray izany, omaly, nandritra ny fifaninanana teo amin’ny Blitz olon-tokana, izay nandrombahany ny medaly volafotsy. Efa nahazo medaly alimo, teo amin’ny lalao isan-tarika i Fy, niaraka tamin’i Aina Tsinjoniavo ary izao mbola tafiditra laharana faharoa izao indray. Isa 8 amin’ny 9 no
azon’i Fy ary mitovy ny isany sy ilay teratany Egyptiana nifanandrina taminy izay nahazo ny voalohany. 4/9 kosa no isa azon’i Aina Tsinjoniavo tamin’ ny Blitz olon-tokana.

Niditra an-tsehatra
Eo amin’ny taranja hafa, nanomboka nifaninana, oma­ly, ny taranja tolona saingy tsy mbola nisy aloha ny medaly azon’ny Malagasy hatreto. Resin’ilay Egyptiana, i Moham­med Nada, teo amin’ny fihodinana voalohany, Rasoarimalala Victorine, sokajy 50kg. Mbola resy ihany koa izy, teo amin’ny fihodinana faharoa, nanoloana ilay Ivoariana, ka nihintsana.Teo amin’ny sokajy 57 kg, resy fihodinana voalohany ihany koa i Soloniaina Malala. Teo amin’ny fiadiana ny medaly alimo, kosa, Rasoarimalala Françoise Élodie, sokajy 62 kg. Resin’i Egypte teo amin’ny fiadiana medaly alimo ihany koa ny solontena malagasy, Rasoanantenaina Emma, sokajy 53kg.

Mi.Raz

Partager sur: