Tontosa ny faran’ny herinandro lasa teo, teny Ambohidratrimo, ny fifaninanana “4 Heures Honda” eo amin’ ny taranja Moto. Nanjakan’i Mathias Plantive, Malagasy mpilalao sy Lucas Robert, Renioney mpilalao, tanteraka ny fifanintsanana. Nitondra ny Moto KTM 450 SX izy mirahalahy nandritra ny lalao. Mitana ny laharana faharoa kosa i Pascal Dorseuil, Renioney sy i Claudio Tida, Malagasy mpanamory Moto. Azo lazaina, araka izany, fa mbola ao anatin’ny heriny tsara i Mathias Plantive sy i Lucas Robert amin’izao.
Tsiahivina fa mipetraka eo amin’ny laharana voalohany i Mathias amin’ny fifaninanana Moto Cross taorian’ny dingana telo natao nanomboka ny volana janoary lasa teo. Nahazo ny laharana voalohany tamin’ny dingana fahatelon’ny fifanintsananana nasionalin’ny MX 1, izay natao ny 3 marsa lasa teo kosa i Lucas Robert. Ny 17 marsa ho avy izao ny lalao Moto Cross, hiditra amin’ny dingana fahefatra. Raha tsy misy ny fiovana, hatao eny Ambohidava io lalao io.
Fitia Randria