Barea de Madagascar : amin’ny alatsinainy ny fampivondronana

Araka ny vaovao azo omaly, avy eo anivon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), hanomboka ny alatsinainy 18 marsa ho avy izao ny fampivondronana ireo mpilalaon’ ny Barea de Madagascar, amin’ny fiatrehana ireo lalao tsapa tafiditra ao anatin’ny datin’ny federasiona iraisam-pirenena (Fifa). Efa hiaraka hipetraka eny amin’ny hotely lehibe iray eny Ivandry ireo mpilalao avy eto an-toerana nantsoin’ny mpanazatra, manomboka ny alahady izao. Tsilian-tsofina ihany koa no nahalalana fa mety efa hisy mpilalao mila ravinahitra ho tonga amin’io faran’ny herinandro io, hamonjy izany fanomanan-tena izany. Raha tsy misy ny fiovana farany, eo amin’ny Kianja «annexe» Mahamasina no hiatrika izany fampivondronana izany ny Barea de Madagascar. Tsiahivina fa lalao fihantsiana roa no tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny Barea, ao anatin’izao datin’ny FIFA izao, dia ny fihaonana amin’i Burundi, ny zoma 22 marsa ho avy izao sy amin’i Rwanda, ny alatsinainy 25 marsa. Lalao hatao eo amin’ny Kianjaben’i Mahamasina, avokoa.

Tompondaka

Partager sur: