Lalao any Ghana : miovaova foana ny fandaharam-potoana

Misavoritaka! Izay no azo anambarana ny fizotran’ny Lalao Afrikanina, tanterahina any Ghana, amin’izao fotoana izao. Tsy mipetraka, araka ny tokony ho izy, ny lamina amin’ny fandaharan-dalao sy ny fifaninanana fa miovaova araka izay hitiavan’ny mpikarakara azy, araka ny tati-baovao avy any an-toerana.
Na ny tranokalam-pifandraisana natokana ho an’ny Lalao Afrikanina aza tsy mizotra araka ny tokony ho izy. Vokatr’izay, tsy manana filaminan-tsaina ihany koa ireo atleta ka misy akony ratsy amin’ny fifaninanana ataony. Na izany aza, manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny fotodrafitrasa mandray ny fifaninanana. Nisy aza ireo vao natsangana ho an’ity lalao ity fotsiny.
Ankoatra izay, misy fihaonana tsy mahasarika mpijery mihitsy. Raha ho an’ny Malagasy, efa nahavita ny anjarany ny fibatana fonjamby sy ny Lutte ary ny Ping-pong. Andrasana manomboka anio ny fiakaran’ny taranja hafa, toy ny atletisma, ny basikety, ny rugby, ny tennis, ny taekwondo ary ny bras de fer.
Raha tsiahivina, eo amin’ny laharana fahenina ny Malagasy, amin’ny fahazoana ny medaly, izay mitotaly 11 ka 3 volamena azo teo amin’ny fibatana fonjamby, 2 volafotsy ary 6 alimo. Mbola ry zareo Egyptiana no mitarika, manana volamena 40, arahin’i Angola, volamena 15 sy Afrika Atsimo, nahazo 11. Faha-10 ry zareo Ghana, volamena 1.

Tompondaka

Partager sur: