Tenisy – « Lalao Afrikanina 2024 »: hanomboka ny sabotsy izao ny fifanintsanana

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 8 marsa lasa teo, tany Accra Ghana, ny fifaninanana afrikanina “Jeux Africain” andiany faha-13. Ho an’ny taranja Tenisy, efa any an-toerana avokoa ireo Malagasy mpilalao.

Hotanterahina manomboka ny sabotsy 16 marsa ho avy izao, any Accra Ghana, ny fifaninanana ho an’ny taranja tenisy, sokajy lahy sy vavy, amin’ity Lalao Afrikanina andiany faha-13 ity. Efa any an-toerana avokoa ireo Malagasy mpilalao hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany, raha ny vaovao voaray avy amin’ny mpanazatran’ny ekipa nasionaly malagasy, Razafimahatratra Dina.
Tsiahivina fa efa niatrika ny fanazaran-tena avy hatrany izy ireo nanomboka ny alahady teo. Anisan’ireo vehivavy malagasy hiatrika ity lalao ity i Andraina Voavy Mitia. Tonga ny alatsinainy maraina tany an-toerana ny tenany. Tsara ny mampahatsiahy fa nahazo ny laharana fahatelo, tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika latsaky ny 18 taona ny tenany, ny volana febroary lasa teo, tany Egypta. Mari­hina fa miisa efatra, roa vavy sy roa lahy, ireo Malagasy atleta nalefan’ny federasiona malagasin’ny tenisy any an-toerana.
Anisan’izany ry Nicolas sy Valentin, ho an’ny lehilahy ary i Mitia sy i Tsantaniony, ho an’ny vehivavy. “Efa vonona tanteraka amin’ny fihatrehana ny fifaninanana ny mpilalao”, hoy ny mpanazatra. Izay firenena efatra voalohany amin’ ny lalaon’ny tsirairay ihany no afaka mifaninanana amin’ny isan-tarika “jeux par équipe”.

Fitia Randria

Partager sur: