Klioba ECTA : hofohazina any Antsirabe ny “Triathlon”

Hotanterahina ny sabotsy 16 marsa ho avy izao, any Antsirabe ny fifaninanana “Triathlon”. Nambaran-dRamampiandra Toavina, tomponandraikitry ny ECTA (Entente Club Triathlon Antsirabe) sy Rabenarivo Marius, mpikambana eo anivon’ny federasiona maorisianina triathlon, mpikarakara ny hetsika tamin’ny mpanao gazety tetsy Amparibe, omaly, fa ho famohazana ny taranja efa natory nandritra ny taona maro no anton’izany. Ankoa­tra izay, entina hampivelarana ny triathlon aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina. Miso­katra ho an’ny rehetra ny fifainanana.
Mizara telo ny fihaonana. Eo ny Triathlon distance standard, hifaninanana amin’ny lomano 1500 m, fitaingenana bisikileta tsy mataho-dalana (VTT) mirefy 40 km ary hazakazaka 10 km. Ny duathlon amin’ny halavirana lava, misy hazakazaka an-tongotra 5 km sy 10 km ary fitondrana bisikileta 40 km. Ny Triathlon sy Duathlon miharo fizahantany: ny lomano 400 m sy hazakazaka an-tongotra 1, 25 km sy 2, 5 km ary fifaninanana bisikileta 10 km.
Tsiahivina fa efa niatrika ny Triathlon de Genève ny taona 2020 i Toavina. Nitana ny laharana faha-70 izy. Toy izany koa i Marius, efa nandrombaka amboara maro tatsy Maurice. Marihina fa manampy azy mirahalahy amin’ny fikarakarana ny fifaninanana, Ramamonjisoa Armand, eo amin’ny lafiny teknika sy i Njaka Tsirofo, amin’ny ara-moraly.

Torcelin

Partager sur: