Savorovoro tany Toliara : manameloka ny herisetra ny FMF

Mbola mitana ny sain’ny mpanara-baovao eo amin’ny baolina kitra malagasy, ny savorovoro nitranga tany Toliara, ny alahady lasa teo. Fihaonana nikatrohan’ny Dato FC sy ny 3FB Toliara, andro fahefatra amin’ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena na ny “Pureplay football league” (PFL). Manoloana izany, namoaka fanambarana ny komity mpitantana eo anivon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny talata 12 marsa, manameloka ireny herisetra sy fihetsika tsy mifanaraka amin’ny soatoavina amin’ny baolina kitra ataon’ny tomponandraikitra samihafa ireny. Toy izany koa ny nataon’ireo mpilalao sasany teo amin’ny fihaonan’ny Fosa Jr sy ny AS Fanalamanga tany Boeny, ny faran’ny herinandro.
Tsiahivina fa niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera, hitan’ny rehetra ny zava-nisy tany Toliara.
Efa miroso amin’ny fanadihadiana ny tomponandraikitra. Hivoaka tsy ho ela ny fanapahan-kevitra momba izany. Marihina fa tontosa hatramin’ny farany ny lalaon’ny roa tonta ary nivoaka ho mpandresy ny 3FB sy ny Fosa Jr.

Tompondaka

Partager sur: