Nifarana omaly, ny fifaninanana taranja Judo, ho an’olon-tokana, ao anatin’ny andiany faha-13, Lalao Afrikanina, tanterahina any Accra Ghana. Mbola hiatrika ny fifaninanana isan-tarika anefa ny solontena malagasy ho amin’ny anio izay mbola miandrandra ny hahazo medaly. Raha hiverenana ny dingana nolalovan’ireo judokas malagasy niatrika ity lalao Afrikanina ity, teo amin’ny olon-tokana, medaly volamena iray sy alimo iray no azon’i Madagasikara. Omaly, Rasoanaivo Miora, sokajy latsaky ny 78 kg no nifaninana saingy resy teo amin’ny fihodinana voalohany. Tsy nahazo medaly ihany koa ireo solontena malagasy lehilahy, nahitana an’i Angelo, i Fetra Ary i Lova izay efa niatrika ny fifaninanana ny talata sy alarobia lasa teo. Nifarana omaly, ihany koa ny fifaninanana ho an’ny taranja fibatana fonjamby. Tsiahivina fa medaly volamena 3, volafotsy 1 ary alimo 3 no norombahin’ny Malagasy mpibata fonjamby, tamin’ny alalan’Andriatsitohaina Eric, Andriamitantsoa Sabrinah ary Andriamitantsoa Fabia. Hanomboka hiditra an-tsehatra amin’ny faran’ity herinandro ity kosa ny taranja iraisana ary amin’ny alatsinainy 18 marsa izao ny hifaninana ny taranja basikety 3×3, lahy sy vavy. Taranja anisan’ny andrandraina hahazoan’i Madagasikara medaly ny taranja iraisana, rugby sy basikety.
Mi.Raz