Lehilahy manao asam-behivavy: Kinga sy mahay mandray olona kokoa izy ireo

Tsy dia nahazatra ny maro ny mahita lehilahy manao asam-behivavy tamin’ny andro fahiny. Efa hita eny anivon’ny sehatrasa maro kosa izany ankehitriny. Tsy misy intsony rahateo ny asa natokana ho an’ ny vehivavy sy ny lehilahy, fa rehefa mahavelona sy ma­havita tsara ny asany ny olona iray dia efa mety.

Amin’izao fotoana izao, efa maro ny lehilahy misehatra amin’ny asa heverin’ny olona fa asam-behivavy. Amin’ny ankapobeny, mahafehy sy mahay tanteraka ny asa izy ireo, raha ny zava-misy. Maro ny mihevitra azy ireny ho toy ny sarimbavy na lehilahy mohaka na tsy mahita asa hafa ka lasa misehatra any amin’ny asam-behivavy. Ani­san’ny asam-behivavy ataon’ ny lehilahy ny mahandro sakafo, manao volo, mikarakara tarehy, manjaitra, manasa lamba…
« Manana hery hoenti-miatrika sy mazoto ary tsara fiasa kokoa ny lehilahy raha oharina amin’ny vehivavy, indrindra amin’ireo asa heve­rin’ny olona fa asam-behivavy », hoy Rasendrasoa Fabrice, misehatra eo amin’ny fikarakarana sakafo. Mahatsapa kokoa ny mpanjifa fa kinga sy mazoto miasa ny lehilahy raha oharina amin’ny vehivavy, araka ny fahitan’ny olon-tsotra nanaovana fanadihadiana azy. Mahafehy ny asa kokoa ny lehi­lahy. “Sady sariaka sy mahay mandray olona ihany koa izahay eo am-panatanterahana ny asa”, hoy Randria­natojo­soa Herman Felix na dadan’i Diary, mpanosotra vernis etsy Ana­lakely. Namba­rany fa afa-po tan­teraka ny mpanjifa satria an­kafizin’ny olona ny asa ataon’ny lehilahy matoa ma­hazo mpanjifa foana izy. Efa 8 taona izy no nisehatra teo amin’ny fanao­vana vernis etsy Analakely. “Amiko, tsy dia misy ny asa na­tokana ho an’ny lahy sy ny vavy. Mazana aza ny lehilahy no tena mahafehy ny asa heverin’ ny olona fa asam-behivavy”, hoy i Sonia, vehivavy nanontaniana. “Rehefa mikarakara volo any amin’ny mpanao volo aho dia lehilahy no tiako mandray ahy satria mafy tanana ary afa-po tsara ianao rehefa mahazo ny vokatra”, hoy hatrany izy. Hafa ihany ny lehilahy mise­hatra eo amin’ ilay asa satria tena mahay sy mahafa-po tanteraka izy ireo rehefa mampihaingo ny vehivavy, raha ny fanazavana voaray hatrany.

Lehilahy mikarakara sakafo, mankafy tsiron-kanina
« Tsy natao ho an’ny vehivavy irery ny fikarakarana sa­kafo, fa natao ho an’ny olona manana finiavana, tia mikarakara, tia fahadiovana ary mankafy tsiron-kanina… », hoy Rasendrasoa Fabrice, mise­hatra eo amin’ny fikarakarana sakafo. Safidy, hoy izy, ny ho lasa « traiteur » satria te hi­ve­latra kokoa eo amin’ny sehatry ny fandrahoana sakafo miavaka sy maroloko. Safidy hatramin’ izay satria efa ao anaty ra ny fitiavana mahandro sakafo miavaka. Nanam-paniriana ho lasa mpanao gazety eo amin’ ny sehatry ny fizahantany ny tenany fahiny. Tsy tanteraka izany ka lasa nisehatra any amin’ny tontolon’ny sakafo izy, raha ny fanazavany hatrany. Nanandrana nahandro sakafo tamin’ny fomba sinoa izy tamin’ ny voalohany. Tsy dia nianatra firy mahakasika io asa io fa niara-niasa tamin’ireo olona matihanina. Niezaka nampihatra izay traikefa azo nandritra izany. Nanaraka fiofanana ma­romaro ihany koa izy taty ao­riana fa tsy nionona tamin’ izany.

Mpanao vernis amin’ny tanana sy tongom-behivavy
Lehilahy avokoa ny mise­hatra eo amin’io asa fanoso­rana vernis io, etsy Analakely, raha ny hita eny an-toerana. Mahita izy ireo fa mahavelona tsara ny asa ka antony mahatonga azy ireo mirona manao izany, raha ny fanadihadiana natao teny an-toerana. “Asam-behivavy ny asa fanosorana vernis amin’ny ankapobeny, satria mikarakara sy manaingo ny hohon-tanana sy hohon-ton­gotry ny vehivavy”, hoy Ran­drianatojosoa Herman Felix na dadan’i Diary, mpanosotra vernis, etsy Analakely.

Tsara ny asa rehefa tena ifotorany

Efa maro ihany koa ireo lehilahy misehatra eo amin’ny asa fanjairana eto Madagasikara. Amin’ny ankapobeny, tena mahavita tsara ny asany izy ireny, raha tena mifototra. Anisan’izany, Rasoloarimanana Jean Jocelin, raim-pianakaviana mpanao petakofehy amin’ny pikimosy. Asa tanana ampiasana ny akora lamba, kofehy ary faham-ba. Asa tanana tsy mifidy olona mampiasa na vavy na lahy izy io, raha ny fanazavany.“Tsy misy hoe asam-behivavy sy asan-dehilahy intsony amin’izao fa azo atao foana rehefa mahavelona anao sy ny ankohonanao”, hoy ity raim-pianakaviana mpanao petakofehy ity. “Tsara ny asa tanana ataon’ny vehivavy, fa tsy ambakan’izany ihany koa ny asa ataon’ny lehilahy rehefa tena mifototra tsara amin’ny asany izy ireo”, hoy hatrany izy. Nilazany koa fa asa tsy misy mpibaiko no antony nahatonga azy nisafidy ny hanao io asa io. Izy ihany no mibaiko ny tenany, arakaraka ny fahefany sy ny zavatra ananany. Nolovaina tamin’ny ray aman-dreny tao an-trano ny fanaovana ny asa ary niezaka nanatsara izany taty aoriana. Mivarotra ny zava-bita sy mampianatra ireo zanany. Nanao io asa io teo amin’ny faha-16 taonany izy ary mbola misehatra amin’izany hatramin’izao.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: