Madagasikara maitso : hazo Malto 20 000 nambolen’ny Star

Mandray andraikitra amin’ny fambolen-kazo ny orinasa Star, entina hamerenana an’i Madagasikara ho Nosy maitso. Nanangana toerana famokarana zana-kazo malto anarivony ny Star, tamin’ny taon-dasa, nentina nanomanana ny fambolen-kazo tamin’ity taona 2024 ity.
Miisa 20 000 ny zanakazo notsinjaraina tamin’ireo ozinina Star, ka nambolena tany Ambatolampy ny 12 500 ary tany Andranovelona ny 6 000. Niara-nientana namboly hazo koa ny tany Antsirabe, ahitana ny masoivoho sy ny lojistika ary ny ozinina famokarana labiera sy malto. Misy ekipa manokana manara-maso sy mikarakara ny fitomboan’ireo zana-kazo ireo isaky ny toerana nambolena azy.
Nomena zana-kazo malto ihany koa ny mpiasa nangataka izany hamboleny any amin’ny taniny. Miisa 3 500 ny zana-kazo nozaraina ny mpiasa, ka izy ireo ihany no mikarakara sy mikojakoja azy, miaraka amin’ny fianakaviany sy ny olona akaiky azy avy.
Ankoatra ireo, miisa 120 000 ny hazo fihinamboa nozara­in’ny Star tamin’ny tantsaha miara-miombon’antoka aminy. Tafiditra ao anatin’ny andraikitra eo amin’ny fiarahamonina (RSE) daholo izao hetsika fambolen-kazon’ny Star izao.

Njaka A.

Partager sur: