Avy namita iraka: zandary efatra maty an-drano

Namoy ny ainy am-perinasa ny zandary efa-dahy, ny faran’ny herinandro teo. Maty an-drano teny am-pamitana iraka izy ireo.

Misaona ny zandarimariam-pirenena. Maty am-perinasa, natelin’ny rano teny am-pamitana iraka ny zandary efa-dahy. Miasa ao amin’ny zana-tobim-paritra Soakibany, ao amin’ny tobim-pileovan’ny zandarimariam-pirenena Atsimo Atsi­nanana ny telo lahy : Zandary kilasy voalohany Zafindra­mara Tris, zandary kilasy voalohany Ramalolahy Florent Jean Marie, zandary kilasy faharoa Randrianarison Fidèle Lucien. Avy nanao fisafoana tao Fasikendry Soakibany, distrikan’i Midongy Atsimo izy telo lahy tamin’ny zoma hariva. Niampita lakana tamin’ny ranon’Itomampy. Nitsoka mafy ny rivotra ka nivadika ny lakana. Natelin’ny rano niaraka tamin’ny basiny izy telo lahy niaraka tamin’ilay mpitondra lakana. Nanao ny fikarohana ny fokonolona niaraka tamin’ireo zandary namany. Ilay mpitondra lakana no hita voalohany. Avotra soa aman-tsara izy rehefa nanaovana ny fomba fameloman’aina. Natsingevan’ny rano kosa ny kitapon’ireo zandary. Ny sabotsy maraina vao hita ny fatin’ireo zandary telo lahy. Mbola hita teny an-tratran’izy ireo avy ny basy Kalachnikov.

Sarotra ny famonjena…
Niharan-doza koa ireo zandary roa lahy avy namita iraka tany amin’ny kizon’ Ambatomainty, omaly maraina. Niampita ny reniranon’i Manambolo, tao amin’ny fokontany Ambalarano, kaominina ambanivohitr’i Soaloka, distrikan’i Miandrivazo. Lasan’ ny rano ny zandary kilasy faharoa Randriamamonjy Maminirina Patrick, miasa ao amin’ny zana-tobim-paritra Soaloka. Nanao ny fomba rehetra ilay namany namonjy azy saingy tsy nahasintona azy avy ao anaty rano. Nifanome tanana nanao ny asam-pamonjena ny fokonolona niaraka tamin’ny zandary nanao ny fikarohana ka tamin’ny 10 ora maraina vao hita ny razana.

Jean Claude

Taranja lomano sy ny fidirana miaramila 

Nalain-javatra tokoa ve ireo zandary sa tsy mahay milomano? Tokony haverina ao anatin’ny taranja handraisana ireo mpiadina mifaninana hiditra ao amin’ny sekoly fanofanana ho zandary na Tafika ny taranja lomano. Misy ihany ireo taranja andrefesana ny tanjak’ireo mpifaninana saingy tsy hita ity taranja iray ity. Mifamatotra amin’ny asa hatrehina eny an-kianja aorian’ny fiofanana anefa izany. Hiasa ho an’ny tanindrazana rahateo izy ireo. Efa ho avy indray atsy ho atsy ireo andiany manaraka hifaninana hiditra ka tokony hisy fanovana ny fepetra mifanaraka amin’izany.

Partager sur: