Nampijalian-drainy: zazamenavava namoy ny ainy

Namoy ny ainy tsy fidiny noho ny herisetra nataon-drainy ny zazamenavava iray. Feno mangana ny vatany tamin’ny fotoana nahafatesany.

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’i Nosy Be Hell Ville, afakomaly, ilay raim-pianakaviana nahavita fihetsika mamoafady tamin’ny zanany naterany. Vao teraka telo herinandro ilay zaza niharan’ny herisetra. Niafara tamin’ny fahafatesany izany. Nampi­jaliana ara-batana ity lasibatra. Voalaza fa nentin-katezerana ilay rainy.
Raha ny tatitra nampitain’ ny lehiben’ny kaomisaria any an-toerana, manana olana ara-tokantrano izy mivady. Efa nisaraka noho ny tsy firaharahana nataon’ity raim-pianakaviana ity ny tokantranony. Nitondra vohoka anefa io vadiny io, nandritra ny fisitahana. Teraka soa aman-tsara ny zaza ka nalain-drangahy an-keriny tamin’ny zoma. Naveriny kosa rehefa hariva ny andro.

Tsy salama
Marihina fa zaza tsy salama no nalaina an-keriny. Efa nandrara azy ny vadiny fa tsy nahatohitra azy. Nihombo ny aretina, nanomboka niharatsy ny fahasalaman’ny zaza tamin’ny fotoana namerenany azy. Sady mangana no nahitana ratra ny vatany tamin’ny fotoana nandraisan-dreniny ilay zazamenavava.
Nitsoaka avy hatrany ilay ray nahavanon-doza. Name­traka fitoriana teny amin’ny polisy ny renin’ny zaza. Nano­mboka ny fikarohana nataon’ny polisy. Tsy lavitra, vetivety dia hita ny toerana niafenany. Noraisim-potsiny ity raim-pianakaviana ity.
Manoloana ny herisetra ataon’ny ray aman-dreny amin’ny zaza toy izao, mampiaka-peo ny mponina any an-toerana. «Tokony hatao mitovy amin’ny lalàna ho an’ireo tratra manao fanolanana ihany koa », hoy izy ireo.

J.C

Partager sur: