Fantatra kokoa ny feony noho ny endriny. Heno matetika amina tantara an’onjampeo i Arikaomsa Randria. Milomano anatin’ny literatiora tanteraka anefa izy, ary nisolo tena ireo mpisehatra nandritra ny « Fetin’ny angano sy ny poezia », omaly.
Endri-panabeazana anisan’ny tranainy indrindra teto Madagasikara ny angano. Nomarihina omaly, ny Andro maneran-tany ho an’ny angano. Antony iray nisian’ny hetsika «Fetin’ny angano sy ny poezia», izay notontosaina tetsy amin’ny Havoria izany. Nampiarahana tamin’io koa ny poezia, satria anio ny Andro maneran-tany natokana ho an’ity sokajin-kanto ity.
«Ny angano no nentin’ny ray aman-dreny nanabeazana ny zanaka fahiny. Ny poezia koa efa hita taratra tamin’ireo lahabolana fahiny, na mbola tsy nirafitra aza fa mbola tao anatin’ny literatiora am-bava toy ny angano. Rehefa niditra teto ny fivavahana kristianina izay sady nampiditra ny soratra vao nanomboka noraiketina izany. Samy mila homena lanjany eo amin’ny fanabeazana ny angano sy ny poezia», hoy i Arikaomsa Randria. Nosafidin’ireo mpisehatra hisolotena azy ireo, ka nandray anjara fitenenana nandritra ny lanonana omaly, izy.
Tsy hadinon’ity mpanoratra, mpanao tantara, mpiantsa tononkalo sy mpisehatra amin’ny angano ity, ny nipotsitra ny vay tsy takona afenina amin’ny sehatry ny kanto amin’ny ankapobeny eto Madagasikara. Anisan’izany ny olana sedrain’izy ireo amin’ny famoahana ny sanganasany sy ny halatra maro samihafa mianjady amin’izy ireo, araka ny nambaran’i Arikaomisa Randria, nanamafy ny efa fitarainan’ny mpisehatra maro.
Nampanantena vahaolana ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny serasera manoloana izany. «Ho hampitomboina avo telo heny ny ezaka amin’ny fiarovana ny zon’ny mpamorona, izay efa iandraiketan’ny Omda sy ny BAP. Maromaro ireo tetikasan’ny minisitera efa nisy sy mbola tohizana ho fanapariahana ny angano, izay misy isam-bolana natao ho tosika ho an’ny mpanoratra maro. Ankoatra ireny ny andiam-piofanana, ny hetsika isan-tsokajiny manerana ireo Tranomben’ny kolontsaina sy ny serasera, ny Ivokolo, ny clac, sns», hoy ny sekretera jeneralin’ny minisitera, Rakotondrasoava Fetra.
Zo ny Aina