Hifarana anio, ny lalao ara-pirahalahiana izay tafiditra amin’ny “Fenêtre Fifa”. Ho an’ny Barea de Madagascar, ny fihaonana amin’i Rwanda no hamaranany izany.
Hotontosaina eny amin’ny kianja Barea Mahamasina, anio, ny fifanandrinana eo amin’i Madagasikara sy i Rwanda, taranja baolina kitra. Lalao firahalahiana izay karakarain’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), tafiditra amin’ny andron’ny “Fenêtre Fifa”. Tsiahivina fa tsy mbola nifanandrina mihitsy ny ekipa roa tonta.
Raha hiverenana ny fihaonana nataon’izy ireo, nandritra ny lalao voalohany, resin’i Madagasikara tamin’ny isa 1 no ho 0 i Burundi, ny zoma lasa teo. Nisaraka ady sahala, tsy nisy nitoko, 0 no ho 0 kosa i Rwanda sy i Botswana. Azo lazaina fa ho toy ny famaranana kely ihany ity fihaonan’ireto ekipa nasionaly roa ireto satria ny Barea hiezaka haka fandresena indray ary ny ekipa roandey hitady vokatra tsara ho azy.
Tsara ny mampahafantatra fa nataon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ity fihaonana ara-pirahalahiana ity, hanomanana ny fiadiana ny tapakila hiatrehina ny “Mondial 2026”. Tsara ny mampahatsiahy fa hifandona amin’i Comores sy i Mali ny ekipam-pirenena, Barea, ny volana jona ho avy izao. Ankoatra izay, hifandona amin’i Botswana i Burundi, anio, etsy Mahamasina ihany.
Fitia Randria
Fandaharan-dalao anio
Kianja Barea Mahamasina
1 ora : Burundi vs Botswana
4 ora : Madagasikara vs Rwanda