Nidoboka am-ponja eny Tsiafahy ny lehiben’ny faritra Analanjirofo teo aloha, Ramarson Jacques, taorian’ny niakarany teny anivon’ny PAC, ny alakamisy teo. Ahina ho nanodikodina volam-panjakana izy.
Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy ny lehiben’ny faritra Analanjirofo teo aloha, Ramarson Jacques. Efa impolo nantsoina teo anivon’ny Bianco teto Toamasina ny tenany hatramin’ny nialany teo amin’ny fitantanana ny faritra Analanjirofo, fony fitondrana HVM. Tsy tonga namaly izany anefa ny tenany. Niafara teny anivon’ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac) tetsy 67 ha, ny alakamisy teo, ny raharaha ka izao nampidirina am-ponja izao. Anisan’ny niampangana azy ny fanodinkodinam-bolam-panjakana. Ny tsy filaminan’ny fitantanam-bola koa…
Tsiahivina fa efa eo am-piomanana ny ho kandidà solombavambahoaka ao Fenoarivo Atsinanana Ramarson Jacques. Filohan’ny ligin’ny baolina kitra ao an-toerana koa ny tenany. Etsy andaniny, efa mananontanona any ihany koa ny antontan-taratasin’ady hanenjehana ny governoram-paritra Analanjirofo farany teo.
Sajo sy Synèse R.