Nahitam-piakarana efa herinandro vitsy izay ny vidin’ny entona fandrehitra eto Antananarivo sy ny manodidina. Ho an’ny marika Vitogaz, niakatra ho 27 400Ar ny tavoahangy 4 kilao, raha toa ka
26 900Ar izany teo aloha. Lasa 62 800Ar kosa ny tavoahangy milanja 9 kilao, raha toa ka 61 800Ar izany teo aloha. Ankehitriny, niakatra 86 600Ar ny tavoahangina 12 kilao, raha 85 200 Ar izany. Raha ny fampitahana, manodidina ny 500 Ar ka hatramin’ny 1 400Ar isaky ny tavoahangy ny taham-piakarana. Antony manazava izany ny fiakaran’ny vidin’ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ny volana desambra teo, manodidina ny 80 dolara ny barila amin’ny Petrole Brent, raha toa ka 77 dolara izany ny volana novambra teo. Tafiditra ao anatin’izany ny lalànan’ny tolotra sy ny tinady izay miantraika betsaka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Marihina fa telo volana rahateo vao mihatra eny an-tsena, eto an-toerana, ny vidin’ny solika eo amin’ ny tsena iraisam-pirenena. Manampy izany ny fitotongan’ny sandan’ny vola malagasy.
Henintsoa H.