Mahajanga: Tratra ireo hazo tsy ara-dalàna

Niparitaka tanaty tambajotra, ny 20 sy 21 marsa teo, fa nisy hazo sarobidy niainga avy ao amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga. Nanao fanadihadiana ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra ao Boeny. Fantatra fa hazoala tsotra, « anakaraka », ireo hazo ireo, fa tsy voamboana na hazomainty. Misy itovizana amin’ny voamboana ny endriny ivelany, saingy misy ny maha samihafa azy rehefa nohamarinina.
Misy anefa ny fepetra takian’ny lalàna amin’ny fikirakirana ny hazo ala, satria avy anaty aty ala voajanahary no nakana azy. Fantatra fa fahazoan-dalana efa lany andro no nampiasain’ny tompony. Tsy mifa­naraka amin’ny lalàna izany. Vokany, tsy maintsy nogiazana ny hazo, ary natao fanadihadiana ny tompony.
Raha tsiahivina ny zava-nitranga, voalaza fa misy hazo taterina avy amin’ny sambo botry, ao anaty kamiao eny amin’ny seranan-tsambo « quai Orange » Mahajanga, nanomboka ny 20 marsa sy ny 21 marsa teo. Nisy fiara maromaro tazana teny an-toerana, manana endrika nibahana ny fifamoivoizana na nanakona ny fitaterana ireo hazo, miainga avy any anaty botry.

Njaka A.

Partager sur: