“Nosy Boraha Jazz Festival”. Niainga omaly, nihazo an’Andasibe aloha ireo mpandray anjara amin’ity hetsika ara-kolontsaina sy fizahantany hatao any Sainte Marie ity. Handray lamasinina hidina Toamasina anio, mialoha ny hiampitana. Mpanakanto maro no handray anjara, toa an-dry Rajery, Silo sy ny Young Square, Lalatiana, Monique Njava, Solorazaf, sns.
Azon’i Kevin Ordy Rak, tamin’ny alalan’ny sarimihetsika notontosainy, nampitondrainy ny lohateny hoe “ Ndrii ry Vehivavy”, ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanana “Up Short Contest”. Lohahevitry ny fifaninanana ny hoe “Ireo adin’ny vehivavy malagasy”, ary izay no nezahin’ny mpanatontosa navoaka tao anatin’ny sarimihetsika fohin’izy ireo.
Nisokatra nanomboka ny 23 marsa 2024, teny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, ny fampirantiana « L’épopée des ailes malgaches ». Rantin-tsary anehoana ny tantaran’ny fiaramanidina teo anelanelan’ny taona 1855 hatramin’ny 1972. Hita ao anatin’izany ireo fiaramanidina sy olona ary ny fomba fiasa tamin’izany andro izany.
Anio no hamoahana ny “Ikalomanga”, boky nosoratan’i Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana, mpanoratra anisan’ny nivelatra tamina lohahevitra maro. Tazana amin’ny sanganasany ny momba ny zanaka, ny tanindrazana, ny fiarahamonina, ny zava-boahary. Nasehony tamin’ny tononkalo, hainteny, tantara, sombintantara, tantara tsangana, angano, fanadihadiana.