Misanda 4 702 Ar ny 1 euro, ary 4 373 Ar ny 1 dolara, omaly. Nahazo aina kely ny sandan’ny Ariary, raha oharina ny teo aloha, satria efa nahatratra 4 900 Ar ny 1 euro sy mihoatra ny 4 500 Ar ny dolara, tamin’ny iray volana lasa (26 febroary 2024). Vinavinaina fa hitohy io fidinana io raha arahina ny fironany.
Mamolavola ny Drafitrasa ao anatin’ny 5 taona (2024-2029), ny mpitantana ny Vondron’ny orinasa eto Madagasikara (Gem). Filoha vaovao mitarika azy i Rabarijohn Francis, tale jeneraly ny orinasa Imperial Brands PLC aty amin’ny tapany Atsimon’i Afrika sy ny ranomasimbe Indiana.
Hatao ny 3 avrily 2024 ho avy izao, ny fiofanana momba ny fiompiana trondro, any amin’ny kaominina Anosy Tsarafara, distrika Farafangana, faritra Atsimo Atsinanana. Ao amin’ny CFP Ampanarenana ny toerana. Voakasik’izany ny fiompiana amin’ny ankapobeny, ny fikarakarana ny sakafo, ny fitantanana, sns. Maimaimpoana ny fiofanana.