Fanaterana dosie ho an’ireo kandidà : hiasa tsy an-kiato ny Ovec sy ny Ivon-ketra

Nisokatra, omaly ny fandraisan’ny Rafitra mpanamarina sy mpirakitra ny filatsahan-kofidina (Ovec), ho an’ireo kandidà solombavambahoaka. Mbola nangingina ny andro voalohany.

Hiasa tsy an-kiato isan’andro mandra-pahatongan’ny ora farany na amin’ny andro tsy iasana aza ireo eo anivon’ny Ovec sy ny Ivon-ketra mandray ny dosie an’ireo kandidà.
Mbola miandry toromarika kosa ireo tomponandraikitra eny amin’ny Ivon-ketra vao afaka mandray ireo kandidà ho amin’ny fanamarinana momba ny hetra raha ny andro voalohany, omaly, araka ny nambaran’ny kandidà iray eny Avara­drano.
Hatreto aloha, tsy mbola nisy kandidà nametraka na na­natitra izany amin’ny Ovec, raha ny eo an-dRenivohitra sy ny manodidina. “Mbola ireo iraka na solontenan’ny kandidà no nanontany ny momba ireo dosie sy ny pitsipitsony samihafa”, hoy ny tomponandraikitra.

Hatonta any Afrika Atsimo ny biletà tokana

Tsiahivina fa hifarana amin’ny 8 avrily izao ny fe-potoana hanaterana ny antontan-tararasy filatsahan-kofidiana eny anivon’ny Ovec. “Tsy tokony hiandry amin’ny fotoana farany vao manatitra ny dosie ny kandidà mba hampilamina kokoa ny fikarakarana izany”, hoy ny fanentanan’ny eo anivon’ny Ceni.
Havoakan’ity rafitra mikarakara ny fifidianana ity ny16 avrily kosa ny lisitra ofisialy ho an’ireo kandidà afaka hifaninana amin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza. Hotanterahina ny 17 avrily kosa ny antsapaka amin’ny laharan’ny kandidà ao anatin’ny bileta tokana. Halefa hatonta any Afrika Atsimo izany avy eo.
Hanomboka ny 8 mey kosa ny fampielezan-kevitra ary hotanterahina ny alarobia 29 mey ity fifidianana depiote ity.

Synèse R.

Partager sur: