« Fiainana sy Fiadanana » : “Antsa Paska” hataon’ny Chorale Orimbato

Alahady 31 marsa amin’ny 3 ora sy sasany ao amin’ny FJKM Tranovato Ambato­nakanga. Hanatanteraka ny “Antsa Paska 2024” nampitondraina ny lohateny «Fi­ainana sy fiadanana» ny Chorale Orimbato. Hampaha­tsiahy an-kira izay nizoran’i Kristy ho famonjena ny zanakolombelona, izy ireo. Fiaraha- miasa eo amin’ity antoko mpihira ity sy ny komitin’ny EWS Foibe FJKM, izay anoloran-dRtoa Stella Carol Ratefina­na­hary ny hira amin’ny teny anglisy, hotanterahina ao anatin’ny fizarana faharoa. Hira notsongaina tamin’ny fihirana amerikana sy anglisy (efa fantatra sy vao hofantarina) toy ny : «The way that He loves» (Elmo Mercer), «To God be the glory» (Crosby & Doane)… Milaza ny fijaliana, ny fahafatesana ary ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty. Eo koa anefa ireo hira mitaona handray izany famonjena izany : «In Chirst alone» (Keith Getty), «He is the Light»…
Hira amin’ny fiteny mala­gasy kosa ny fizarana voalohany (efa fantatra na vao hofantarina). Anisan’izany «Ny Holatrao» (Ndriana Ralambo­mia­dana),  Hangina aho» (Aimé Raoeliarijaona), «Tsa­ro­vy aho» (Fahatokiana Raza­fi­mamonjy) … Ny tononkalon’i Nirina Randriama­monjy no handravaka izany.
Tsy misy vidim-pidirana. Hisy ny fizarana fahatsiarovana kely ho an’izay rehetra manatrika ny fotoana ho firariantsoa noho ny andro Paska.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: