Fitsinjaram-pahefana: Tafapetraka avokoa ny governora mpisolo toerana

Feno tanteraka ny toeran’ny governora manerana ny Nosy. Voatendry, omaly, nandritra ny filankevitry ny minisitra ireo rehetra mpisolo ny toerana banga. Niarahan’ny mpikambana amin’ny governemanta sy ny filohan’ny Repoblika nanaiky ny fandaniana ny didim-panjakana manendry azy ireo. Ramatoa Beva­zaha Marie Annick ho an’Analanjirofo , Sabire Jérôme, ho governora mpisolo toerana ao Betsiboka. Ramanakirahina Jean Noël ho an’ny ao Melaky. Ramarosandratana Daniela, ho governora mpisolo toerana ao Amoron’i Mania. Andriamatoa Solofo­niaina Rajaobelina Aristide Gérard, ho an’ny ao Atsimo Atsinanana. Marihina fa amin’ny maha mpisolo toerana azy ireo dia misahana ny asa maika ihany no andraikitra ankinina amin’izy ireo.
Nanombohana ny filankevitra, omaly, ny adina am-bava ny minisitry ny Fitsarana, ny minisitry ny Fitantanam-bola ary ny minisitry ny Fahasalamana. Manomboka ny tombana ho an’ny 100 andro izay tapitra ny 4 avrily ho avy izao, araka ny tatitra voaray.

r.r

Partager sur: