RIBD 2024 : nizara ny traikefany i Catmouse

Tanterahina nanomboka omaly, hatramin’ny 30 marsa 2024, any Bénin, ny «Rencontre Internationale de la Bande Dessinée» (RIBD) andiany faharoa. Anisan’ny nahazo fanasana manokana miatrika izany Rajemison Dinah, na i Catmouse, Malagasy mpiangaly tantara an-tsary. Nitarika ny valandresaka niresahana ny lohahevitra hoe “Imaginaires linguistiques et francophonie dans le bande dessinée en Afrique Francophone» izy, omaly.
Nizara ny traikefany sy ny fahaiza-manaony sy nisolo tena ny Malagasy, nandritra ny RIBD, andiany faharoa i Catmouse. Antony maro no nisafidianana azy hiatrika ity hetsika lehibe eo amin’ny tontolon’ny tantara an-tsary ity. Anisan’izany ny zava-bitany sy ny amboara maro azony, nandritra ny hetsika sy ny fifaninanana iraisam-pirenena eo amin’ny tantara an-tsary. Eo ihany koa ny maha tanora mpiangaly tantara an-tsary azy. Tsiahivina fa tanjon’ity hetsika ity ny hanome sehatra sy hampiroborobo ny tontolon’ny tantara an-tsary, indrindra ho an’ireo tanora. Hisy ny tanora hahazo fampiofanana ho matihanina, eo amin’ny sehatry ny tantara an-tsary aorian’ity RIBD, andiany faharoa ity.

Lin

Partager sur: