TARATRY ny KANTO

Tanterahina, rahampitso, eny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, ao anatin’ny hetsika «Café-histoire», ny fandefasana ny sarimihetsika «Tabata­ba», notontosain’i Raymond Rajaonarivelo. Hisy ihany koa ny tafa sy dinika iarahana amin’ity mpanatontosa ity.
Nandravaka ny IFM Analakely, omaly, ny
sarimihetsika «Dounia et la Princesse d’Alep» sy ny «Les inséparables», tao anatin’ny «Festival du Film Francophone». Raha tsiahivina, ny tanora afrikanina misehatra eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika no ezahina hampiroboroboana. Apetraky ny tomponandraikitra ho laharam-pahamehana ihany koa izy ireo nandritra hetsika.
Famerenana mahery vaika ! Io no nilazan’ny Sehatra Bagasy ny famerenan-kira hiomanana amin’ ilay seho lehibe «Redombe Bagasy» hotontosaina ny 25 mey izao ao amin’ny CCEsca Antanimena. «Avia isika hiara-dia», «Haody ry Analamangako», «Telono­horefy», «Analamanga». «Handao ny tanà-nahazatra»… Fantatra fa hotohizana ny sabotsy 6 avrily izao ity famerenana hiarahana amin’ireo tarika mpiangaly bagasy ireto.
Manomboka mifoha amin’ny torimasony ireo mpamoron-kira ! Tarika sy mpamorona (hira, feonkira…) vitsivitsy no efa miezaka mampahafantatra tsikelikely ireo mamerina mihira ny sanganasan’izy ireo fa : «mila dinika sy fankatoavana avy aty aminay ny fihirana ireny hira ireny, izay vao azo atao. Mbola maro amin’ireo mpanakanto rahateo no tsy mahafantatra loatra ny zo ananany manoloana ny asa famoronana iray.

Partager sur: