Tonga eto amintsika ireo mpandraharaha Tiorka ary vonona ny handray an-tanana ireo tetikasa goavana. Noraisin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavy, tetsy Anosy izy ireo, omaly. Voaresaka ny famatsiam-bola sy ny fanatanterahana ireo tetikasa goavana. Anisan’izany ny Tanamasoandro. Tohin’ny fitsidihan’ny filohan’ny Repoblika tany Tiorkia volana vitsy lasa izao fahatongavan’ireto mpampiasa vola ireto. Niaraha-nidinika koa ny momba ireo sehatra handraisan’izy ireo anjara. « Eo ny laharam-pahamehana tena ilantsika ny famatsiam-bola vahiny. Anisan’ izany ny fametrahana faritra manokana ho amin’ny toekarena “Zone économique spéciale” ohatra », hoy ny minisitra.
Tsiahivina fa mampiavaka azy ireo ny fanatanterahana asa anatin’ny fotoana fohy ary manaraka ny fenitra. Anisan’ ny asa efa vitan’izy ireo ny nanamboarana toeram-pitsaboana sy toerana ho an’ny fanatanjahantena taty Afrika. Ny nanorenan’izy ireo ny foibe ara-bola « Centre financier » sy ny seranam-piaramanidina any Kinshasa.
Synèse R.