Tsy mbola misy mahasolo tanteraka ny solika na eo aza ny fandrosoan’ny teknolojia isan-karazany. Ny fanjifana solika eto Madagasikara, araka ny Office Malgache des Hydrocarbures (OMH), dia tsy misy angovo azo havaozina afa-tsy 39,4% avy amin’ny rano; 1,4 % avy amin’ny masoandro ; 1,4% ihany koa avy amin’ny angovo hafa ( biomasses) eto amintsika amin’izao fotoana izao.
Tarehimarika nandritra ny telovolana fahatelo, tamin’ny taona 2023, niakatra 6 % ny fanjifana solika eto Madagasikara, 330 702 m3. Isam-bolana, tamin’ny telovolana fahatelo 2023, samy nitombo avokoa ny fanjifana. Ny taona 2022, efa nisy fitomboana 6,9 % (1,237 tapitrisa m3) izany, raha ampitahaina ny taona 2021 ka maherin’ny 50% ny gazoala (GO). Marihina fa ny Jirama koa, tamin’io fotoana io, nitombo 6 %, teo ho eo amin’ny 66 185 m3 teo, indrindra fa ny solika mavesatra (FO).
Ny solika mavesatra (FO), 42 %, no tena betsaka tao amin’ny Jirama namatsiana ireo milina mandeha amin’ny solika. Niaraka taminy ny gazoala (GO), nisy teo amin’ny 31 % teo, izay somary nahitana fidinany.
Na izany aza, nahitana fitomboana ny GO tamin’io fotoana io, raha ampitahaina ny taona 2022 sy 2021. Io telo volana fahatelon’ny 2023 io no azo lazaina fa nisy fitomboana betsaka indrindra nanomboka tamin’ny 2021. Sehatry ny fitaterana, Jirama sy ny fitrandrahana ao Ambatovy no tena nampiakatra ny fanjifana solika nandritra ny taona 2023.
Niara-nitombo tamin’ireo koa ny lasantsy SC (Super Carburant) afa-tsy ny EA (Essence Aviation). Ho an’ny fiaramanidina (EA), io no tena nidina, tsy nitombo ny fanjifana azy.
Matetika anefa mitohy ihany ny fahatapahan-jiro (délestage) amin’ny faritra maro sady maharitra. Voalaza fa tsy ampy ny solika mampandeha ireo milina. Olana iray lehibe ny fahalotoan’ny rivotra iainana manerana ny Nosy, satria mitombo ny fanjifana gazoala (GO) sady betsaka. Mbola eo koa ny solika fandrehitra (PL na Pétrole Lampant).
Mila ezaka betsaka izany ny fampiasana angovo azo havaozina mandeha amin’ny masoandro. Io fotsiny manome masoandro 2 800 ora ao anatin’ny taona iray eto Madagasikara. Mbola misy akora hafa azo trandrahina, ohatra ny rivotra, ahazoana herinaratra.
Mpandrindra ny vidin’ny solika ny OPEP
Vondrona OPEP (Organisation des pays exportateurs du pétrole), firenena goavana mpikambana, mitrandraka sy manondrana solika. Fikambanana nitsangana ny taona 1960, notarihin’i Arabie Saoudite, Iran, Irak , Koweít , Venezuela, miampy an’i Algerie, Angola, Congo, Gabon, Guinée Equatoriale, Libye, Nigeria, Indonésie sy Emirats Arabes-Unis, manana solika be indrindra maneran-tany , 40 % ny vokatra maneran-tany. Misy ny foibeny any Vienne, Autriche. Azo lazaina fa io ihany koa no tambajotra mandrindra ny vidin’ny solika, ka ny mpikambana isanisany samy manana ny anjarany eo amin’ny varotra . Isaky ny fivorian’ny OPEP no hamaritana ny anjara varotra ho an’ny tsirairay mpikambana. Tsy maintsy mifanaraka ny mpikambana rehetra hanapahana ny vidiny, hasondrotra na hahidina; hampitomboana ny vokatra na hahena .Efa mateti-pitranga izany maneran-tany.
Amin’izao fotoana, manodidina ny 80 dolara ny “baril” eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
Akora fototra be mpampiasa
Ny solika dia singan-javatra simika maromaro mifangaro, indrindra fa ny “azote“ sy ny “oxygène” : misy ranon-javatra mafana, ao ny akora matanjaka… Singan-javatra simika maro manome solika ahazoana mampiasa azy.
Nanomboka ny taona 50, io no angovo voalohany be mpampiasa indrindra, ary amin’izao fotoana izao, maherin’ny 30 % ny filana aminy eto ambonin’ny tany.
Akora fototra voalohany mampandeha ny fitaterana, fiarakodia sy fiaramanidina. Akora fototra ihany koa ho an’ny indostria maro manodina zavatra isan-karazany fampiasa andavanandro, toy ny akora plastika , loko, sns. Ilaina amin’ny hafanana, toy ny gazy fandrahonana, fampiasa ahazoana herinaratra
Fatra “baril”
Nahitana ny fatran’ny solika voalohany, ny teo anelanelan’ny taona 1860-1870. Tamin’izany fotoana izany, namboarina voalohany ny “baril” ho fitahirizana ny solika ho an’ny fitaterana maro . 110 hatramin’ny 190 litatra ny “baril” iray, taty aoriana nofaritana “40 gallons”, fatra Amerikanina (151 l), nampiana 5 % ho azo antoka tsara, lasa 159 litatra. Rehefa nandeha tsara ny varotra, tazomina ihany hatramin’izao ny “baril” iray mira 159 l. Mbola adihevitra kosa hatramin’izao ny “bl”, karazana “Standard Oil of California”, ampiasana amin’ny orinasa sasany, satria manana loko hafa.
Misy marika ahafantarana ireo karazana solika, ny tena misy azy sy izay mety ho fatrany any ambanin’ny tany na ranomasina.
Miara-miasa ny manam-pahaizana maro (géologues, géophysiciens, architectes pétroliers, foreurs …) mizaha amin’ny antsipiriany izay mety ho tombony ara-toekarena mialoha ny hitrandrahana azy.
Mamaritra zavatra maro ny fanadihadiana ataon’ireo mpikaroka. Amin’ny ankapobeny, raha misy fitrandrahana dimy, iray ihany no ampy fatra hita mazava fa hahazoana tombony ara-barotra. Ankehitriny, manodidina ny 80 dolara ny “baril” iray, karazany “Brent” sy “West Texas Intermediate” (WTI) .
Nanatotonsa : R. Mathieu