TARATRY ny KANTO

Efa manana ny toerany ny gadona Reggea, raha ny eto Madagasikara, hoy ny tomponandraikitry ny “Fianara Reggea Festival”, hetsika natokana hanandratana ity gadona ity eto amintsika. Notanterahina tany Fianarantsoa, ny 29 hatramin’ny 30 marsa 2024, ity hetsika ity, raha tsiahivina. Maro ny mpankafy niatrika ary samy afapo ny rehetra.

Hipoka tanteraka Antsahamanitra, omaly, nandritra ny fampisehoana niarahana tamin’ny tarika Rebika. Anisan’ny nampihetsi-po ny maro ny nahita an-dRampal, mbola niaka-tsehatra ihany, na dia mbola tsy ao anatin’ny fahasalamana aza. Tsy miova fa mbola manana ny toerany hatrany ny tarika, ary tsikaritra ny fitomboan’ny tanora mankafy azy ireo.

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny La City Ivandry, ny lanonana namoahana tamin’ny fomba ofisialy ny vokatra miisa roa, ao anatin’ny edisiona Teny, an’ny Trano fivarotam-boky “La Canopée”. Mitohy hatrany ny ezaka amin’ny fitaomana ny olona ho tia boky, ho an’ny fanabeazana sy ho tombontsoan’ny besinimaro.

Tanterahina, eny amin’ny AFT Andavamam­ba, hatramin’ny 13 Avrily 2024, ny “Exposition d’art”. Fampirantiana hanehoana ny zavakanto sy ny fahaizan’ireo mpiofana tao anatin’ny tetikasa “Kanto manabe”. Tanjon’ny hetsika ny hampiroboroboana sy hampiakarana ny fahaiza-manaon’ireo mpiofana ao anatin’ny tetikasa “Kanto manabe”.

Partager sur: