Fondation H : fanararaotra ho an’ny mpanakanto ny hetsika eny an-toerana

Mpahay kanto maro avy amin’ny firenena nandalovan’ny fampiratiana no nahazo tombony tamin’ny hetsika. Tonga eto Madagasikara izy ankehitriny ary hitondra tombontsoa samihafa, indrindra ny avy eto Madagasikara.

Tanterahina manomboka anio, eny amin’ny Fon­dation H Ambatomena, ny fampirantiana « Memoria : recits d’une autre histoire ». Rantin-javakanto hanehoana ny maha izy sy hanasongadinana ny mampiavaka ireo kolontsaina sy zavakanto samihafa. Amin’ity fampirantiana ity, mandray ireo mpanakanto vonona hifidy ny tsara sy manana fanoloran-tena, izay manolotra ny fomba fijeriny ny tantara amin’ny alalan’ ny haikantony avy. Mpahay kanto miisa 22, avy amina firenena 15 no miaraka maneho ny haikantony mandritra ny “Memoria: recits d’une autre histoire”.
Hetsika anisan’ny lehibe eo amin’ny tontolon’ny zavakanto ity tontosaina eny amin’ny Fondation H ity. Mirakitra tahiry iombonana ahitana fitantarana miavaka, tantara, fametrahana fanontaniana ary traikefa maro ao anatin’ny fahatsiarovantsika isan-karazany. Ankoatra ny rantin-javakanto, handrafitra ny fandaharam-potoana ihany koa ny tafa sy ny dinika ary ny adihevitra, iarahana amin’ny mpahay kanto mandray anjara amin’ny hetsika sy ireo matihanina isaky ny karazany avy. Tanjon’ny hetsika ny hanasongadinana ny haikanton’ireo mpanatalenta, avy aty Afrika. Izay indrindra no nisafidianan’ny tomponandraikitra an’i Nadine Hounkpatin sy i Céline Seror ho mpanara-maso akaiky ny seho ranty. Efa nisehatra sy nanao izany andraikitra izany an-taonany maro izy ireo.
Raha tsiahivina, andiany fahefatra amin’ny hetsika izao tanterahina eto Madagasikara izao. Tany Frantsa, ny taona 2021, no voalohany, tao Côte d’Ivoire ny taona 2022 ny faharoa, ary tany Cameroun ny taona 2023 ny fahatelo. Nezahin’ny tomponandraikitra nampifanarahana amin’ny zava-misy amin’ny toerana andalovany anefa ny fampirantiana. Na eo aza izany, tazonina hatrany ny maha izy ny “Memoria: recits d’une autre histoire”.

Lin

Partager sur: