Nanolana ankizy 12 taona : roa lahy maty voatifitra

Nandositra mpitandro filaminana, namoy ny ainy ireo roa lahy anisan’ny nanolana ankizivavy 12 taona tao amin’ny fokontany Vohipasy, distrikan’i Vohipeno, omaly maraina. Naharay antso avy amin’ny tsara sitrapo ny lehiben’ny fokontany ao an-toerana momba io tranga fanolanana io. Niantso ny zandary avy hatrany ny tomponandraikitry ny fokontany. Fantatra rahateo ny toerana misy ireo voalaza ho nanao ny fanolanana. Nidina ifotony, saron’ny zandary ireo roa tamin’ireo telo lahy nampihatra ny filan-dra­tsiny tamin’ilay ankizivavy. Nandositra ny mpitandro filaminana nisambotra azy anefa ireo roa lahy. Niezaka hampitsahatra azy tamin’ny alalan’ny fampitandremana ny zandary. Nanda hatramin’ny farany ireo olon-dratsy ka maty voatifitra. Karohina ilay naman’izy roa lahy lavo. Marihina fa simba tanteraka ilay ankizivavy niharan’ny filan-dratsin’ireo tsy mataho-tody ireo. Manaraka fitsaboana izy amin’izao fo­toana.

Tsiferana R.

Partager sur: