Efa mahazo vahana eny anivon’ ny sekoly ny karazana famoretana na herisetra amin’ny endriny maro. Mifototra amin’ny karazana fampitahorana sy fanjakazakana amin’ny endriny maro samihafa io herisetra io. Mitarika ratram-po lalina ho an’ny lasibatra izany.
700 000 ireo mpianatra iharan’ny herisetra an-tsekoly amin’izao fotoana, raha ny antontanisa navoakan’ny Unicef. Hita any amin’ny ambaratonga ambany ny 12% amin’izany, 10% any amin’ny kolejy ary 4% any amin’ny lycée. Voasokajy ho herisetra ara-batana sy ara-tsaina miverimberina izany. 58% ny mpianatra no iharan’ny herisetra any an-tsekoly. 53,7% amin’izy ireo ny ankizivavy ary 46,3% ny ankizilahy, araka ny tatitra navoakan’ny fikambanana Imaso ivoho Madagasikara.
Miseho amin’ny endriny maro ny famoretana an-tsekoly. “Toy ny fanavakavahana ara-poko, fihomehezana rehefa miteny, fametrahana anaram-bosotra maneso, fampielezana tsaho tsy marina hanaratsiana ny olona heverina ho fahavalo”, hoy Rakotonirina Iarivoniana, filohan’ny fikambanana Imasoho Ivoho Madagasikara. Eo ihany koa ny fanararaotana ara-batana, miafara amin’ny fikasihan-tanana isan-karazany. Anisan’ izany, ny ompa miverimberina sy ny fanesoana amin’ny endriny hafa. Tsy ny ankizy ihany fa mety iharan’izany koa ny mpampianatra. Tafiditra ao anatin’ny karazana herisetra an-tsekoly ihany koa ny fangalarana gouter ataon’ny ankizy lehibe vatana any an-tsekoly. “Efa karazana herisetra ihany koa ny fitenenana teny mahery sy mandratra amin’ny olona iray, ka miteraka ratra ao anatiny. Mety lasa tsy mampianatra intsony ilay mpampianatra noho ny fisian’izay karazana famoretana an-tsekoly izay satria mafy loatra ny iainany izany”, hoy Rabemananjara Lilia, namorona ny Stop harcèlement scolaire Madagascar. Nambarany fa maro amin’ny ankizy no iharan’ny fanaratsiana sy fanilikilihana vokatry ny tsy fitovian’ny kalitaom-bolo. Eo ihany koa ny tsy fitovian’ny fananana eo amin’ny tsirairay. Nohamafisiny hatrany fa mitovy avokoa ny ankizy sy ny olon-drehetra na manana na tsia…
Manana andraikitra ny ray aman-dreny
Mba hialana amin’ny herisetra an-tsekoly, manana anjara andraikitra goavana ny ray aman-dreny. “Anisan’ny fanabeazana fototra sy sekoly voalohany indrindra ho an’ny ankizy ny tokantrano. Ao no iaingan’ny ankizy vao mifanerasera amin’ny olon-kafa ivelan’ny trano izy”, hoy ny filoha mpanorina ny fikambanana Stop harcèlement scolaire Madagascar. Nambarany fa sady fitaratra no mananatra ny ankizy ny ray aman-dreny amin’ireo toe-tsaina mendrika tokony hatao. Toy ny fitiava-namana, tsy fanilikilihana na fanaratsiana olona… Ankoatra izay, tsy vitan’ny ray aman-dreny irery fa misokatra amin’ny fanabeazana atolotry ny mpampianatra ihany koa izany, mba hisorohana ny herisetra an-tsekoly miverimberina sy tsy handratrana olona iray, raha ny fanazavana voaray hatrany. Amin’ny voalohany, tsy mazoto mianatra intsony ny ankizy iray na ny mpampianatra iray noho io herisetra io. Mety hitarika ny ankizy hihidy lava ao an’efitranony ihany koa izany. “Ny fahatsapana izany no ilana ny fanampian’ny ray aman-dreny tsirairay avy amin’ny fanoroana ny zava-misy marina sy mahitsy amin’ny ankizy”, hoy hatrany izy. Nohamafisiny fa “fifanampiana ny fiainana na inona karazam-poko sy volo-kodritra misy eo amin’ny olona iray. Tsy tokony hisy mihitsy ny karazana fanilikilihana sy famoretana amin’ny endriny hafa”, hoy hatrany izy. Nambarany fa mety iny olona noharatsinao iny no mety hanampy anao rehefa any aoriana any.
Nandresy noho ny herisetra nahazo azy
Anisan’ny niharan’ny famoretana an-tsekoly Rabemanjara Lilia tamin’ny mbola kely, raha ny fijoroana vavolombelona nataony. Antony nahatonga izany ny fisian’ny ratsy teo amin’ny nifiny. Niteraka fanaratsiana sy fanilikihilan’ny mpiara-mianatra taminy io kilema kely teo amin’ny nifiny io, araka ny fanazavany hatrany. Fanampin’izany, nanao solomaso “loupe” be ihany koa izy tamin’ny mbola kely ka nampitombo ny fanaratsian’ny ankizy izany. “Hihomehezan’ny ankizy rehetra aho rehefa niteny tany am-pianarana”, hoy izy nanamafy. Niezaka niaritra sy nizaka ny zava-niseho izy nandritra izany. Nanangana Agence de communication antsoina hoe Stop harcèlement scolaire Madagascar izy nony taty aoriana, ahafahana miala amin’ny tahotra miteny vokatr’izay zava-misy izay. Ahafahana manampy sy miady amin’ny herisetra an-tsekoly manjaka ihany koa izany. Nilaza izy fa aoka hajanona ny karazana famoretana an-tsekoly satria mampijaly ankizy lasibatra izany.
Mitarika amin’ny fahasimban’ny toe-piainana sy ny fahasalamana ara-batana na ara-tsain’ny niharam-boina izany. Mahatonga aretim-po eo amin’ny ankizy na olon-dehibe lasibatra.
Mety hitarika amin’ny famonoan-tenan’ny ankizy iray ihany koa izany. Anisan’ny antony mahatonga ny ankizy mamono tena eto amin’ny Nosy sy hatrany ivelany io karazana herisetra sy famoretana an-tsekoly io, raha ny fanazavany hatrany. “Tsy tia mitantara zavatra loatra amin’ny olon-kafa na ny ray aman-dreny izy ireny ka miteraka aretim-po tao aminy izany. Tsy zakany intsony izany aty aoriana ka lasa mamono tena ny sasany amin’izy ireny”, hoy hatrany izy. “Efa tafiditra ao anatin’io herisetra io, ny ara-tsaina, ny ara-batana, ny ara-nofo na fikitihana amin’ny endriny maro na ny fijerijerena maharitra fotsiny aza”, hoy hatrany Rakotonirina Iarivoniana, filohan’ny fikambanana Imasoho Ivoho Madagasikara. Nilaza izy fa fanararaotana ara-tsaina, tsy voatery ho hitan’ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra izany fa ao anatin’ny sain’ny ankizy ao ihany.
Nanatontosa : Mino