Kitra – Mondial 2026: tsy nahazo ny fankatoavan’ny Caf ny kianja Barea

Nesorin’ny Kaonfederasiona Afrikaninan’ny baolina kitra (Caf) tsy ho anisan’ireo kianja mandray lalao iraisam-pirenena ny kianja Barea Mahamasina. Tsy hatao eto Madagasikara ny fihaonan’ny Barea amin’i Comores sy i Mali.

Tsy afaka handray ireo lalao roa hihaonan’i Ma­da­gasikara amin’i Co­mores sy i Mali, amin’ny volana jona ho avy izao ny kianja Barea Mahamasina. Fihao­nana izay tafiditra amin’ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2025”. “Tsy misidina any Madagasikara ny ekipam-pirenena malianina. Tsy nahazo fankatoavana ny kianja Barea”. Vaovao nampitain’ny gazety malianina iray, le Sportif 223, omaly, tao anaty tambajotran-tserasera izany. Tsiahivina fa nivaly omaly ny fitsidihana ny kianja nataon’ny inspecteur-n’ny Caf, Josua Andries Hoebeb, teo Mahamasina. Araka ny loharanom-baovao iray, nilaza ity iraky ny Caf ity fa efa ratsy ny bozaka ilalaovan’ireo mpilalao. Nomarihin’i Josua Andries fa tsy tokony hifanakaiky ny toerana misy ireo olo-manan-kaja (VIP) sy ny tena manan-kaja (VVIP). Notsin­drin’i Josua ihany koa fa tsy tokony hiaraka ny toeran’ny mpanao gazety sy ny mpijery eny an-kianja. Nohamafisiny ihany koa ny fahakelezan’ny trano fiomanan’ireo mpilalao, “vestiaire”.
Tsara ny mampahafantatra fa efa tamin’ny volana oktobra 2023 no nilaza ny Caf fa tsy manaraka ny fenitra ny kianja Barea.

Hotohanan’ny Fifa ny tetikasan’ny FMF
Ankoatra izay, tontosa omaly, teny amin’ny Kianja Barea, ny fihaonambe nasionaly izay nokarakarain’ny Fe­derasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy, teny an-toerana, ny filohan’ny FMF, Randriamanampisoa Alfred, izay natrehin’i Gelson Fernandes, tale rejionalin’i Afrika eo anivon’ny Fifa. Nila­za ity talen’ny baolina kitra aty Afrika ity fa hanohana ny tetikasan’ny FMF ary hiezaka hifanakalo hevitra amin’ireo mpitantana baolina kitra eto an-toerana mba ho fampivoarana ny taranja.

Fitia Randria

Partager sur: