Miisa telo ny tetezana simban’ny rivodoza Gamane farany teo, any amin’ny lalam-pirenena RN5A, mampitohy an’ Ambilobe sy Vohemar. Ao anatin’izany ny any Manakolagna, PK 99, ny any Tenanimadiro Maromokotra (PK 67+700). Tafiditra ao anatin’ny fifanarahana ny bokin’andraikitry ny orinasa CRBC nanao ity lalam-pirenena ity ny fiantohana ny fanarenana raha sendra misy ny fahasimbana. Iarahana
amin’ny minisiteran’ny Asa Vaventy (MTP) ny fandaminana sy ny fandrindrana ny asa.
Ankehitriny, tafapetraka ny tetezamby vonjy maika any Manakolagna sy Tenanimadiro. Araka izany, efa misokatra ho an’ny mpampiasa lalana ny fifamoivoizana eo amin’ireo ampahan-dalana ireo. Manampy izany, mitohy ny ezaky ny minisitera MTP hamerenana amin’ny laoniny ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena RN5A. Satria tanjona ny ahafahan’ny olona sy ny vokatra mifamezivezy.
Njaka A .