Tsy mitsahatra ny mivoatra ny Malagasy mpilomano, i Tendrinavalona Idealy, any Thaïlande, ao anatin’ny fisitrahany ny vatsim-pianarana taranja lomano, mandritra ny herintaona. Ankoatra ny fiofanana amin’ny endriny maro, miatrika fifaninanana matetika ihany koa izy any an-toerana. Fifaninanana natrehany, ny alarobia lasa teo, ny “Thaïlande national” ho an’ny dobo filomanosana 50 metatra. Vokatra tena tsara sy nahafa-po no azony nandritra izany. Medaly volamena 1, volafotsy 1 ary alimo 2 no norombahany. Nahavita nanamontsana ny “Record de Madagascar” ihany koa i Tendry, teo amin’ny 200m dos sy 100 m dos. Nahavita ny 200m tamin’ny fe-potoana 2.26.12 s izy, raha toa ka 2.28.13 ny zava-bita tsara indrindra nasionaly farany. Teo amin’ny 100 m kosa, vitany tao anatin’ny fe-potoana 1.07.06 s izany, raha toa ka 1.07.45s izany teo aloha. Fe-potoana tsara indrindra 6 ihany koa no vitan’i Tendrinavalona Idealy nandritra ity fifaninanana ity. Tsy vao izao fa efa nisy ihany koa ny fifaninanana lehibe natrehany tany Thaïlande, ka nahazoany medaly volamena. Tsapan’i Tendry ny fivoarany, tao anatin’izany volana vitsivitsy niatrehany ny fiofanana any Thaïlande izay. Nambarany fa hitondra fahombiazana eo aminy, amin’ny sehatra nasionaly sy iraisam-pirenena izay rehetra rantoviny any an-toerana. Hijery izay lesoka mbola mila harenina izy ary hanatsara izany amin’ny fifaninanana mbola handraisany anjara.
Mi.Raz