Telo mianadahy tsy hita popoka : mitaky 80 tapitrisa Ar ireo mpaka an-keriny

Mitaky vola mitetina 80 tapitrisa Ar, amin’izao fotoana izao, ireo dahalo naka an-keriny telo mianadahy tao amin’ny fokontany Ambohi­ma­mory, kaominina ambanivohitra Anjo­zorobe, distrikan’Anjozorobe. Nitrangana fanafihana niharo vono olona tao amin’io toerana io, ny 23 marsa lasa teo. “Na­nafika tao amin’ny sefo fokontany ireo dahalo efa-dahy, nitondra basy ny roa ary zava-maranitra ny roa, tamin’ny 8 ora alina”, hoy ny nambaran’i Memy, anabavin’ny lasibatra. Norobainy ny finday ary nentiny nanaraka azy ny zaza roa lahy 11 taona. “Nokasainy entina koa ny vadin’ny sefo fokontany saingy tafatsoaka”, hoy hatrany ny loharanom-baovao any an-toerana. Ni­findra tamin’ ny tsenambarotra iray tsy lavitra ireo dahalo. “Nihidy mafy ny trano. Nihani­ka lavarangana ireo dahalo ka notifiriny basy ny varavarana ary nisokatra”, hoy hatrany i Memy. Nikasa ha­nakana ireo olon-dratsy ireo ny lehilahy iray ka lavon’ ny basy avy hatrany. Nahita io zanany io, nikoropaka ilay raim-pianakaviana nanatona azy, kinanjo notifirin’ireo tsy valahara ihany koa. Vokany, olona roa namoy ny ainy. Nalainy ny vehivavy iray.

Niady varotra
Nentin’ireo dahalo nandositra ireo zaza roa lahy samy 11 taona sy ny vehivavy iray 19 taona. “Herinandro taorian’io, niantso ny fianakaviana ireo olon-dratsy ka nitaky vola 80 tapitrisa Ar”, hoy ny anabavin’ny lasibatra. Niady varotra enina hetsy sy roa tapitrisa Ar ny fianakavian’ireo nalaina an-keriny saingy nanda ireo dahalo. “Tsy namerina niantso intsony izy ireo hatramin’izao”, hoy ny loharanom-baovao, omaly. Etsy ankilany, miaina anaty tahotra noho ny fahatahorana valifatin’ireo dahalo ny mponina ao an-toerana. “Fa­mongorana hatramin’ny fotony ataon’ny mpitondra fanjakana ireo dahalo ireo no andrasanay satria ahina hiverina izy ireo”, hoy ny lasibatra. Lavitra mpitandro filaminana rahateo any amin’io fokontany io. “Mangataka mba hametrahana tobin’ny zandary aty aminay fa mandeha adin’ny roa sy sasany vao tonga any amin’ny zandary”, hoy hatrany i Memy. Andrasana ny tohin’ny raharaha.

Tsiferana R.

Partager sur: